♦ Tompon'antoka amin'ny fahapotehana sy ny fahantran'ny firenena ny mpanao pôlitika mpamadika palitao, hoy ny Sekretera Nasiônalin'ny antoko TGV... ♦ Mandray anjara amin'ny fampivoarana ny fanabeazana eto Madagasikara ny orinasa Ravinala Airports. Nanavao ny efitrano sy ny trano famakiam-boky tetsy amin'ny EPP Ivato Tanàna ity orinasa ity... ♦ Nivadika ho rivodoza Gamane, ilay faritra andro ratsy tao amin'ny Ranomasimba Indiana...

♦ Fihetsika fanakorontanana sy fikasana fanonganam-panjakàna no ataon'ny filohan'ny antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa hoy ny solombavambahoaka mivondrona ao amn'ny IRD... ♦ Hamafisina ny fiarovana sy ny fisorohana ny loza etsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato, nahazo fitaovana ilaina amin'izany avy amin'ny Masoivoho Frantsay ny kaompanian'ny zandarimariam-pirenena Ivato Aéroport... ♦ Nahazo milina fanodinana ny voamaina ho lafarinina ny any amin'ny distrika Ambato-Boeny, tafiditra amin'ilay tetik'asa ODOF izy io... ♦ Nandresy vonjy maika tamin'ny fifidianana filohan'ny repoblika tany Sénegal ny alahady teo ny kandidan'ny mpanohitra Andriamatoa Bassirou Dio Maye Faye...

♦ Fihetsika fanakorontanana sy fikasana hanongam-panjakana no ataon'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, Christine Razanamahasoa, hoy ny Solombavam-bahoka mivondrona ao amin'ny IRD... ♦ Ho fanamafisana ny fiarovana sy ny ho fisorohana ny loza etsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato, dia notoloran'ny DCIS, eo anivon'ny Masoivoho frantsay, fiara tsy mataho-dalana, ny Kaompanian'ny Zandarimariam-pirenena etsy Ivato... ♦ Misy andro ratsy miforona any amin'ny 168 km, avaratra atsinananan'i Vohemar...

♦ Tsy niandry ela ny valin-kafatra avy amin'ny solombavambahoaka IRD izay mitaky ny fandraisana andraikitra amin-dRamatoa Razanamahasoa Christine filohan'ny antenimieram-pirenena... ♦ Mbola maro ireo fepetra tsy voahaja hahafahana miroso amin'ny fifidianana tena lavitry ny herisetra raha ny zava-misy ankehitriny hoy ny tamba-jotra misoroka ny fifandirana amin'ny fifidianana na ny ROPE... ♦ Misedra olana goavana ny mpiasa malagasy hoy ny eo anivon'ny Valaben'ny Sendikan'ny mpiasa malagasy na ny SSM... ♦ Natokan'ny fitondrana rosiana ho andro fisaonana omaly alahady taorian'ilay asa fampihorohoroana nitranga tao Moscou...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...