♦ Nitraotra vokatry ny fahatapahan'ny herinaratry ny JIRAMA, ireo mpanjifa ao Toamasina. Efa tonga any an-toerana ny solika mavesatra 62.000 litatra, hoy ny Minisiteran'ny Angovo... ♦ Hisy fiantraikany ara-bola eny amin'ny Antenimieram-pirenena, ny fitombon'ny isan'ireo Solombavam-bahoaka ho 163, hoy ny Kestora voalohany eny Tsimabazaza... ♦ Tafakatra ho 6.200 Ar ny iray kilao amin'ny siramamy, hanaza izay fiakaram-bidy izay ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH...

♦ Rariny ny fitombon'ny isan'ireo Solombavam-bahoaka, raha hoarina amin'ny isan'ny mponina amin'izao, hoy ny KMF/CNOE... ♦ Nampikaikaika ny mpanjifa ny fiakaran'ny vidin'ny siramamy hatrany amin'ny 6.200 Ariary isan-kilao. Ny fiakaran'ny haban-tseranana 32% no anisan'ny anton'izany, hoy ny fikambanana PMH... ♦ Naneho ny alahelony amin'ny tsy fisian'ny herinaratry ny JIRAMA ao Toamasina, ny Solombavam-bahoka Rolland Ratsiraka, androany. Efa tena fanaovana ho tsinontsinona ny vahoaka izany, hoy izy...

♦ Hodinihina eny amin'ny antenimiera mpanao lalàna amin'ny fotoana mahemety azy indray ilay volavolan-dalàna momba ny fandraisana andraikitry ny vehivavy ho an'ny toerana mpanapan-kevitra... ♦ Manana kandidà amin'ny fifidianana solombavambahaoaka ao amin'ny Distrika Ikongo amin'ny 29 mey ny fikambanana AFF... ♦ Nandrombaka medaly volamena amin'ny lalao afrikanina andiany faha-13 atao any Accra Ghana i Laura Rasoanaivo ho an'ny taranja Judo... ♦ Hanefa ny adidiny hifidy izay ho filoham-pireneny manomboka rahampitso ny vahoaka rosianina. Tsy misy ny mpanohitra mifaninana amin'ny fifidianana...

♦ Nitombo 12 ny isan'ny solombavambahoaka hofidiana amin'ny 29 mey ho avy izao. Nolanian'ny Filan-kevitry ny Ministra ny Didim-panjakàna famenon'ny Didim-panjakàna tamin'ny taona 2019 mamaritra ny isan'ny mpikambana ao amin'ny antenimieram-pirenena... ♦ Nigadona an-tanindrazana omaly ny filohan'ny antenimieram-pirenena Razanamahasoa Christine. Sakana ho an'ny fampandrosoana an'i Madagasikara hoy izy ny tsy fahalavorarian'ny famatsiana herinaratra... ♦ Mitaky ny hanendrena ny governoran'ny Faritra Amoron'i Mania ny tompon'Anaran-dRay ao amin'izany Faritra izany. Ny Governora teo aloha izay lasa Ministry ny mponina sy ny Firaisan-kina...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...