♦ Niantsy Lehiben'ny Distrika imasom-bahoaka indray ny olom-boafidy iray tany Mahajanga, tao aorian'ilay tranga tany Fianarantsoa. Tsy niandry ela fa naneho hevitra ny sendikàn'ny Andministrateurs civils... ♦ Mbola tsy voatendry ihany izay ho PDS hitantana an'Antananarivo Renivohitra. Mety tsy manana olona ny fitondrana, na tsy laharam-pahamehana ho azy ireo Antananarivo, hoy ny antoko Humaniste Ecologique... ♦ Maherin'ny 16.000 ny kapila mangirana hosoka, nogiazan'ny Brigade Anti-Piratage, nandritra ny taona 2023. Olona 86 no tratra nanao izany ary efa natolotra ny fampanoavana...
♦ Maro amin'ireo solombavambahoaka amperin'asa amin'izao fotoana izao no mbola hirotsaka ho kandidà amin'ny fifidianana amin'ny 29 mey 2024 ho avy izao. Isan'izany ny solombavambahoakan'i Betroka sy Vohipeno... ♦ Nametraka fototra tsara ho an'ny fampandrosoana ny tanàna an'Antananarivo ny ben'ny tanàna teo aloha Naina Andriantsitohaina hoy Ramatoa Lalatiana Ravololomanana. Tanteraka avokoa ny 86 tamin'ireo fanapahan-kevitra noraisin'ny filan-kevitry ny tanàna miisa 128... ♦ Handray anjara amin'ny dinika ara-diplômasia ho an'ny fandriam-pahalemana sy ny filaminana hatao any Turquie ny delegasiôna Malagasy hotarihan'ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina...
♦ Tsy mihemotra amin'ny fampiharana ilay lalàna momba ny famosirana ireo lehilahy mpanolana ankizy tsy ampy taona ny fitondram-panjakàna na misy aza ny fanakianana ataon'ireo mpiaro ny zon'olombelona. Fanambarana nataon'ny mpitondra tenin'ny governemanta Rakotondrazafy Lalatiana... ♦ Hanohy ny asan'ny maha mpanolontsainan'ny tanànan'Antananaivo Renivohitra aza Ramatoa Ravololomanana Lalatiana. Tsy ho PDS ho an'ny tanànan'Antananarivo ny tenany araka ny nambarany omaly... ♦ Mbola hitoetra hatramin'ny anio ny alondrano any amin'ny morontsiraka atsimo andrefana sy atsimon'ny nosy. Mbola hahazo vahana ihany koa hatramin'ny anio ny oram-baratra ho an'ny afovoan-tany sy ny faritra afovoany atsinan'ny nosy...
♦ Tsy hihemotra amin'ny fampiharana ilay lalàna vaovao ao amin'ny fehezan-dalàna famaizana mikasika ny famosirana ireo mpanolana ankizy, ny fitondram-panjakana... ♦ Tsy ho isan'ireo delegasiôna manokana, hitantana vonjy maika ny tanàn'Antananarivo Renivohitra, Ramatoa Lalatiana Ravololomanana... ♦ Mirongatra ny aretin'omby besoroka, any amin'ny Kaominina Andriandampy, tapany avaratry ny Disitrikan'i Betroka, raha ny tatitry ny Solombavam-bahoaka tamin'ny mpanao gazety...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco