♦ Miantso ny hanafainganana ny famoahana ny didim-panjakàna fampiharana ireo lalàna vao nolaniana ny filohan'ny antenimieran-doholona, raha nanasongadina ny olana iainan'ny vahoaka amin'ny ankapobeny ny filohan'ny antenimieram-pirenena amin'ny fotoam-pamaranana ny fivoriana tsy ara-potoanan'izy ireo omaly... ♦ Nitokana foto-drafitr'asa maro tany amin'ny Faritra Alaotra Mangoro ny filoha Rajoelina Andry... ♦ Hiroso amin'ny fanavaozana ny votoatin'ny fandaharam-pampianarana ho an'ireo sekoly fampianarana teknika sy fanofanana arak'asa ny ministeran'ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak'asa... ♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i Robert Banditer...

♦ Mirongatra ny tsy fandriam-pahalemana, midangana ny vidim-piainana. Isan'ny noresahan'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, Christine Razanamahasoa izany androany, raha namarana ny fivoriana tsy ara-potoan'ny Antenimieram-pirenena izy. Tsy hanelingelina ny Governemanta kosa ny Antenimieran-doholona, hoy ny Jeneraly Ravalomanana Richard... ♦ Hatao faritra manokana, hisitaka amin'Alaotra ny ao Mangoro, misy ny Distrikan'i Moramanga sy Anosibe an'Ala. Fantatra izany androany, nandritra ny lahatenin'ny Filoham-pirenena, nitokana zava-bita maro tao amin'ny Distrikan'i Moramanga...

♦ Namerina indray ny maha sehatra ifanakalozana sy ifanatonana ny Antenimieram-pirenena, ny Filohan'ity andrim-panjakana ity, Christine Razanamahasoa, nandritra ny lanonam-pamaranana ny fivoriana tsy ara-potoana androany... ♦ Nomem-boninahitra manokana nandritra ny fetin'ny Orchidées andiany faha-28, izay tanterahana ao amin'ny Conservatoire Princesse de Galles, any Londres, ny hakanton'ny harena voajanaharin'i Madagasikara... ♦ Nandray andraikitra manoloana ny firongatr'ireo olona voasarika sy voambaka amin'ny hypnose, ny mpitandro ny filaminana ao Betafo...

♦ Niakatra ho 3.340 miliara Ariary ny vola ahiana ho tafiditra amin'ny famotsiam-bola, tamin'iny taona 2023 iny, araka ny tatitra nataon'ny SAMIFIN. Eo amin'ny sehatra fanafarana entana no tena isehoan'izay famotsiam-bola izay... ♦ Hikatona ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eny Anosy anio, noho ny fambolen-kazo karakarain'ny Minisiteran'ny Fitsarana... ♦ Miisa 150 ireo teratany Malagasy tratra nanjono tany amin'ny fari-dranomasin'ny Nosy Seychelles. Andrasana anio ny fahatongavan'izy ireo eto Madagasikara, hanaovana fanadihadiana...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...