♦Nihazo an'i Rôma omaly alahady 19 nôvambra ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara hihaona amin'ny Papa Ray Masina... ♦ Tsy hanaiky ny vokam-pifidianana hivoaka eo ny antoko HVM ary nilaza fa mbola hanohy ny tolona hatrany... ♦ Hisokatra ôfisialy rahampitso talata ny fotoam-piotazana Litchis ho an'ny Faritra Atsinanana sy Analanjirofo... ♦ Nahafatesana olona 21 farafahakeliny ny ora-nikija tao anatin'ny 2 andro tany amin'ny Repoblika Dominicaine...
♦ Nihazo an'i Rôma omaly alahady 19 nôvambra ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara hihaona amin'ny Papa Ray Masina... ♦ Nanaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny fanatanterahana ny fifidianana tamin'ny 16 nôvambra teo, hoy ny mpanara-maso iraisam-pirenena, avy amin'ny UJ CEMAC... ♦ Nodimandry omaly teo amin'ny faha-56 taonany i Ninie Donie, mpanakanto malaza teo amin'ny gadona Salegy... ♦ Mitohy ny fanelanelanana ataon'ny Qatar mba hamotsorana ireo Israeliana ataon'ny Hamas Palestiniana takalon'aina nanomboka tamin'ny 7 ôktôbra lasa teo...
♦ Biraom-pifidianana 5011 no efa namoahan'y CENI voka-pifidianana vonjimaika hatramin'ny androany maraina... ♦ Voaporofo ary marina ny fisian'ny hosoka tamin'ny fifidianana ny alakamisy teo hoy ny kandidà Paraina Auguste. Lasa nisy nanana delegué any amin'ny biraom-pifidianana sasany ny vondron'ireo kandidà anefa tsy nisy ny toromarika hoy izy... ♦ Tsy hisy intsony ny fandeferana amin'izay mety ho fidinana an-dalambe tsy nahazoana alalana, hoy ny filoham-panjakàna Richard Ravalomanana omaly. Nilaza ny hanome toromarika ny tenany handraisana fepetra amin'ireo izay minia mitarika izany... ♦ Resy tamin'ny fifidianana tany Libéria ny filoha teo aloha Georges Weah...
♦ Ny voka-pifidianana vonjimaika farany avy amin'ny CENI, ny 11% amin'ny biraom-pifidianana no efa namoahana vokatra... ♦ Miantso ny hampitsaharana amin'izay ny fanenjehana lava ny zanaky ny tapany atsimo atsinanan'ny nosy ny Fikambanan'ny zanaky ny Grand Sud-Est. Nanao fanambaràna teny Tsimbazaza izy ireo omaly... ♦ Lavon'ny Kintana mainty Ghaneana tamin'ny segondra farany ny Barean'i Madagasikara ny alina teo. Tany amin'ny fe-potoana fanampiny no nampiditra baolina tokana i Ghana... ♦ Ahiana ny hisian'ny hanohanana sy tsy fisian-tsakafo intsony any amin'ny faritr'i Gaza. Tapaka ny fahafahana mamatsy sakafo ireo mponina, noho ny tsy fisian'ny solika any an-toerana...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco