♦ Mitarika ny kandidà laharana faha-3, raha ny vokatra vonjy maika tamin'ny fifidianana notanterahana omaly, navokanan'ny CENI... ♦ Vahoka matotra, ny vahoaka Malagasy, fa nahatanteraka ny fifidianana tao anatin'ny filaminana, na teo aza ny fanakanana ny fifidianana nataon'ny kandidà hafa, hoy ny mpanara-maso avy any ivelany... ♦ Tanterahana amin'izao ora izao ny fifanintsanana eo amin'ny taranja baolina kitra, handehanana any amin'ny fiadiana izay ho tompon-daka eran-tany afaka telo taona. Fifanandrinana eo amin'ny Black Star Ghana sy ny Barean'i Madagasikara...
♦ Tsy mbola niova fa ny kandidà laharana fahatelo no mitarika, tamin'ny fironana amin'ny voka-pifidianana navoakan'ny CENI... ♦ Fitaovana iray hahafahana manohy ny tolona eto amin'ny firenena, ny fifidianana natao omaly, hoy ny Filoha nasiônalin'ny HIFFIM, Alain Andriamiseza... ♦ Handeha mivantana amin'ny TVM ny fihaonana eo amin'ny Barean'i Madagasikara sy ny ekipan'i Ghana, rahariva amin'ny 7 ora...
♦ Mitana ny laharana voalohany ao anatin'ny fironana amin'ny ampahany amin'ny voka-pifidianana voarain'ny CENI, ny kandidà Andry Rajoelina. Manaraka azy ny kandidà Siteny Randrianasoloniaiko... ♦ Tsy mbola nisy taham-pandraisana anjara ambany tahaka ny fifidianana natao omaly, hoy ny vovonana ho amin'ny fifampidinihana sy ny fanelanelanana. Naneho ny fahavononany hanohy ny fifampidinihana hatrany, ity vovonana ity... ♦ Hivory indray anio ny sendikà SECES Sampana Antananarivo, ka lahadinika ny fanapahana navoakan'ny filankevitra siantifika amin'ny hiverenan'ny fampianarana...
♦ Hiatrika ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena isika eto Madagasikara rahampitso. Nampiharana "Couvre-feu" anio sy rahampitso alina, eto Antananarivo, hitandroana ny filaminana mialoha izay andro hanatanterahana ny fifidianana izay... ♦ Namoaka fanambarana androany ny Andrimaso FFKM, fa tsy handray anjara amin'ny asa fanaraha-maso ny fifidianana hotanterahana rahampitso... ♦ Fandrahonana no nandikan'ny SECES Sampana Antananarivo, ny taratasy navoakan'ny Filoham-panjakana, Richard Ravalomanana. Taratasy miangavy ny hanapahana ny karaman'ireo mpampianatra mpikaroka...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco