• Manomboka tsy ahitana solika intsony ireo toby mpaninjara sasany eto Antananarivo, raha filaharam-be ny eny amin'ireo mbola manana tahiry. Ahiana hitarika any amin'ny fivarotana solika mitapoka izao olana izao, hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa... • Nomelohin'ny Fitsarana higadra 20 taona an-tranomaizaina, sazy mihatra, ny Médecin Colonel Patrick Rakotomamonjy. Nivoaka androany ny didim-pitsarana mihatra amin'ity manam-boninahitra eo anivon'ny tafika ity, izay tsy hita ny misy azy hatramin'izao... • Kasaina hovana ny lalana ahafahana manenjika ireo Solombavam-bahoaka, izay manana “immunité parlementaire”. Tsy maintsy hisy ny fanovana lalana ahafahana manenjika ireo tsimatimanota, hoy ny Filohan'ny CSI teny Tsimbazaza androany...
♦ Nilamina tamin'ny ankapobeny ny fizotry ny fanadinana ara-panjakàna BEPC izay nifarana androany... ♦ Ny fanadihadiana momba ny zava-misy any Ikongo... ♦ Ny tanànan'Antananarivo no hampiantrano ny fivoriambe fanao isan-taonan'ny fikambanan'ny Ben'ny tanàna mitantana tanàn-dehibe aty amin'ny ranomasimbe Indiana (A.V.COI)... ♦ Manohy hatrany ny teny fanentanana nataon'i Papa François momba ny fiarovana ny Tranobe Iombonana, ny hafatr'i Papa Léon faha-XIV, ho an'ny fanamarihana ny andro eran-tany faha-10 hivavahana ho fiarovana ny voaary...
♦ Olana mbola mitoetra ny tsy fahampian'ny solika eto Antananarivo, ny fahatapahan-jiro mifandimby izay maharitra ora telo... ♦ Nahafaly ny vahoaka tao Ambodinonoka ny fanomezan'ny filan-kevi-panjakàna rariny ny Ben'ny tanàna Marthino Solonirina Zou. Nampiaka-peo kosa ny solotenan'ny Kandidà avy any Bekopaka satria nesorina ny Ben'ny tanàna any an-toerana... ♦ Dinihina mandritra ilay atrik'asa omen'ny FIPOL sy OLEP eny Ambatobe ny onitra vokatry ny loto an-dranomasina... ♦ Tsy nahafaly ireo Japôney ny fanambaran'i Donald Trump izay nanao fampitahana ary nampitovy ny daroka baomba nokleary tamin'ny taona 1945 ny daroka baomba farany teo tany Iran...
• Nomen'ny Filankevi-panjakana rariny androany, ny Ben'ny Tanana Marthino Solonirina Zou, ao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Ambodinonoka, Distrikan'i Vatomandry... • Namoaka ny andiany mpiofana tao aminy nisalotra ny anarana “Henikazy” ny Université Catholique de Madagascar, ka mpianatra miisa 287 no notolarana ny diplaoma Master 2, avy amin'ny sampam-piofanana samihafa... • Fanambin'ny Federasiona Iraisam-pirenen'ny Baolina Kitra ny hametraka ny ivon-toerana eny Carion ho modely, ao aorian'ny fahavitany. Higadona eto Madagasikara hitokana izany ny Filohan'ny FIFA, raha ny namabaran'ny Filohan'ny Federasiona Malagasin'ny Baolina Kitra androany...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco