♦Miantso ny tompon'andraikitra ny fifidianana mba hanao ny fomba hampizotra ny fifidianana araka ny tokony ho izy, tsy misy fitanilàna ny vaomieran'ny Eveka misahana ny rariny sy ny fandriam-pahalemana... ♦ Miantso fitoniana manoloana ny zava-misy ankehitriny ny filohan'ny antenimieran-doholona Herimanana Razafimahefa. Tonga teny amin'ny Lapa Anosikely nanokatra ny fivoriana tsy ara-potoan'ny loholona izy... ♦ Asa mitohy ny ady amin'ny valala. Afaka miatrika ny ady atao ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana miaraka amin'ireo Ministera hafa sy ny mpiara-miombon'antoka hoy ny Ministra Ramilison Harifidy...

♦ Nihaona tamin'ny mpikamban'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana omaly ny kandidà filoham-pirenena miisa 12. Nohamafisin'ny vondron'ireo kandidà 11 fa tsy hanao fampielezan-kevitra mihintsy izy ireo raha tsy mivaly ny fitakiana... ♦ Hivory tsy ara-potoana anio ireo mpikamban'ny antenimieran-doholona. Nankatoavin'ny filan-kevitry ny ministra ny fangatahana nataon'ny Loholona 14... ♦ Vita sonia ny fandaharan'asa lasitra iarahan'ny FAO sy ny Fanjakàna malagasy manatanteraka ny taona 2022 hatramin'ny taona 2025 ampandrosoana maharitra ny tontolo ambanivohitra sy hiantohana ny famokarana sakafo eto amintsika. Fandaharan'asa mitentina 85 tapitrisa Dôlara amerikana...

♦ Tsy hanao fampielezan-kevitra ny vondron'ireo kandidà 11, raha tsy mivaly ny fitakian'izy ireo. Nohamafisin'izy ireo izany, tao aorian'ny fihaonana tamin'ireo mpikamban'ny HCC teny Ambohidahy, androany... ♦ Mangataka fampiantsoana fivoriana tsy ara-potoana, ireo Loholona IRD 14, handinihana ny fepetra horaisina amin'ny Filohan'ny Antenieran-doholona, manoloana ny fanambarana nataony... ♦ Velon-taraina amin'ny tsindry hazolena ataon'ny miaramila dokotera iray, ireo mpianatra mipetraka eny amin'ny Cité an'ny Oniversite...

♦ Hifarana anio ny fampiofanana ireo olona 80 isa, izay hanofana ireo mpikamban'ny biraom-pifidianana manerana ny nosy... ♦ Minisitra miisa roa (2) amin'ny governemanta ifarimbonana no efa nanambara ôfisialy ny fametraham-pialàny ankehitriny noho ny filazan'izy ireo fa hifantoka tanteraka amin'ny fampielezan-kevitra amin'izao fotoam-pifidianana izao... ♦ Tsy maintsy manaraka ny fepetra takian'ny lalana ireo haino aman-jery "en ligne" hoy ny filohan'ny holafitry ny mpanao gazety... ♦ Mbola mitohy hatramin'ny omaly ny ady ao amin'ny faritra GAZA. Tsy mitsaha-mitombo vokatr'izany ny isan'ireo olona maty vokatr'izao ady eo amin'ny Israeliana sy ny Hamas...

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...