♦ Naneho hevitra momba ny didy navoakan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana ny sabotsy teo, ny Filohan'ny antoko Monima. Tsy mifanaraka amin'ny lalàna ny famerana ny anto-bola amin'ny firotsahana ho fidiana ho Filoham-pirenena, hoy Andriamatoa Monja Roindefo... ♦ Dinihana mandritra ny telo andro nanomboka androany eny amin'ny Antenimiera ny volavolan-dalàna momba ny angovo azo avy amin'ny akora biôlôjika ary mikajy ny tontolo iainana na ny Bio-énergie...

♦ Nodimandry tampoka ny maraina teo Andriamatoa Olivier Rakotovazaha, filoha nasiônalin'ny antoko MFM. Anisan'ireo nitaky ny hanadiovana ny tokontany mialoha ny fifidianana izy, fony fahavelony manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny... ♦ Tokony esorina tamin'ny toerany ny filohan'ny SENAT, raha nandà nomena fahefana hitantana ny firenena, hoy ny antoko Fiombonana. Mametra-panontaniana ity antoko ity, amin'ny antony tsy nandraisany izany fahefana izany... ♦ Manome fe-potoana ny fitondrana hatramin'ny 10 ôktôbra izao ny SECES Sampana Antananarivo, hamerina amin'ny laoniny ny fampianarana eny Ankatso. Miankina amin'ny Fanjakàna ny fitsinjovana ny zana-bahoaka eny amin'ny Anjerimanontolo...

♦ Samy naneho ny heviny ireo kandidà h filoham-pirenena omaly, momba ny nandavan'ny filohan'ny Antenimieran-doholona ny fahefana nomena azy hitantana ny Firenena. Tsy afaka ny hanery azy ny HCC hoy ny filohan'ity andrim-panjakàna ity... ♦ Miantso ireo mpanao politika hampitsahatra ny fifampiatsiana amin'izao mialoha ny fifidianana izao ny ministry ny fiarovam-pirenena. Manana anjara andraikitra lehibe hampizotra ny fifidianana anaty filaminana ny Foloalindahy hoy izy... ♦ HIroso amin'ny fitokonana fanairana ireo mpiasan'ny Ministeran'ny toe-karena sy ny Vola. Hetsika ho fisintonana lakolosy manoloana ireo fitakiana nataon'izy ireo, efa iray volana sy tapany lasa izay, saingy mbola tsy nisy valiny...

♦ Natao teny amin'ny Foiben'ny CENI teny Alarobia, ny antsapaka nandaharana ireo kandidà 13 ao anatin'ny biletà tokana ho an'ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena... ♦ Samy nanana ny heviny ireo kandidà, momba ilay nandavan'ny Filohan'ny Antenimieran-doholona ny fahefana nomen'ny Lalàna azy hitantana ny firenena, tao aorian'ny fametraham-pialan'ny Filoha amperin'asa... ♦ Hiroso amin'ny fitokonana fanairana ny zoma izao, ireo mpiasan'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Vola. Hetsika ho fisintonana lakolosy, manoloana ireo fitakiana dimy efa nataon'izy ireo, efa iray volana sy tapany...

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...