♦ Nanao fanambarana miaraka androany, ireo kandidà 10 amin'ny 13 amin'ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena. Milaza ho tsy matoky ny HCC intsony izy ireo, satria mitanila amina kandidà sy miray tsikombakomba amin'ny Governemanta... ♦ Notsikerain'ny SECES ny fitakian'ny filan-kevitra siantifika, hamaranana ny taom-pianarana eny Ankatso. Vao mainka hanimba ny fampianarana ny famonoana afo ataon'ireo mpitantana, ho ny Sendikan'ny mpampianatra mpikaroka...
♦ Fanampiana hatrany amin'ny 12,6 miliara ariary no omen'ny fitondrana Indiana an'i Madagasikara. Ahakasika sehatr'asa maro, mipaka mivantana amin'ny fiainam-bahoaka, ireo tetikasa hampiasana izany vola izany... ♦ Efa fiaraha-mientana ankehitriny ny telo tonta, eo amin'ny tontolon'ny asa, dia ny solon-tenan'ny governemanta, ny solon-tenan'ny mpiasa, ary ny solontenan'ny mpiasa, amin'ny fampiharana ny lalànan'ny asa, raha toa ka ny mifanohitra amin'izany no nisy hatramin'izay... ♦ "Fanabeazana ho an'ny rehetra sy tsara kalitao" no filamatry ny fanabeazam-pirenena amin'ity taona ity. Natomboka ôfisialy tany Antsirabe omaly ny taom-pianarana 2023-2024 eto Madagasikara...
♦ Hamoaka ny atao hoe "Manuel de l'Expert" ireo manam-pahaizana manokana miara-miasa amin'ny Fitsarana, ahafantaran'ny olona ny ilàna azy ireo amin'ny raharaham-pitsarana... ♦ Anatain'ny fandinihana, ka hirosoana amin'ny fankatoavana, ny volavolan-dalàna momba ny angovo azo avy amin'ny akora biôlôjika sy mikajy ny tontolo iainana na ny BioEnergie, izay ho ampiharina eto Madagasikara... ♦ Mila miray hina amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra amin'ny fitantanana ny firenena ny governemanta hoy ny mpandinika fiaraha-monina iray, raha tiana hisy ny fifidianana anatin'ny fitoniana sy ny filaminana...
♦ Naneho hevitra momba ny didy navoakan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana ny sabotsy teo, ny Filohan'ny antoko Monima. Tsy mifanaraka amin'ny lalàna ny famerana ny anto-bola amin'ny firotsahana ho fidiana ho Filoham-pirenena, hoy Andriamatoa Monja Roindefo... ♦ Dinihana mandritra ny telo andro nanomboka androany eny amin'ny Antenimiera ny volavolan-dalàna momba ny angovo azo avy amin'ny akora biôlôjika ary mikajy ny tontolo iainana na ny Bio-énergie...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco