♦ Nifarana omaly ny lalaon'ny nosy andiany faha-11 nampihatranon'i Madagasikara. Laharana voalohany ny Malagasy, naharo medaly volamena miisa 121... ♦ Hiatrika ny lalao miverina amin'i Angola atsy Luanda ny Barean'i Madagasikara. Nanainga omaély ny delegasiona hiatrika ny andro fahaenina, lalao fifaninantsanana farany, handraisana anjara amin'ny CAN 2023... ♦ Hiatrika ny kôngresy nasiônaly atao etsy amin'ny CCI Ivato ny antoko TGV, antoko najoron'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina... ♦ Nampita hafatra ho an'ireo mpino katôlika any Chine ny Papa François nandritra ny Sorona Masina notarihany tany Mongoli omaly. Aoka ianareo hoy izy ho mendrika amin'ny maha-kristiana ary olom-pirenena fakan-tahaka...
♦ Mangataka amin'ny HCC hamoaka ny zom-pirenen'ireo kandidà rehetra hirotsaka hofidina ho Filoham-pirenena ny KMF-Cnoe, amin'ny fotoana hivoahan'ny lisitra ôfisialy, ka ao anatin'ny latsa-bato ny Malagasy no hitsara azy ireo... ♦ Tsy ekena ny fandorana ny tranon'ireo olona tsy manan-tsiny, nataon'ny mpitandro ny filaminana, tany amin'ny Fokontany Miary, Soalala, hoy ny Solombavam-bahoakan'i Betroka... ♦ Manahy ny fahapotehan'ny orinasa Sofitrans, izay hiteraka fahaverezan'asa ho an'ny mpiasa sy ireo mpiara-miombona antoka, ny Sendika Tolon'ny Mpiasa...
♦ Nisara-dàlana tanteraka tamin'ny IRD sy ny fitondrana ankehitriny, Andriamatoa Razafitsiandraofa Jean Brunelle. Tafapetraka androany maraina teny Ambohidahy ny antonta-taratasy firotsahan-kofidiany amin'ny anaran'ny antoko APM... ♦ Tsy manova ny fanohanan'ireo momba ny Filoha ankehitriny eny ifotony ny fisintahan'ireo Solombavam-bahoaka IRD sasantsasany, hoy ny Solombavam-bahoaka Naivo Raholdina... ♦ Velon-taraina ireo mponina ao Miary, vokatry ny ambarany ho fandoran'ny mpitandro ny filaminana ny tanànany...
♦ Tafakatra amin'ny dingana famaranana ny Barean'i Madagasikara, amin'izao Lalaon'ny Nosy faha-11 izao. Tafakatra hiatrika ny lalao famaranana ihany koa ny ekipa malagasy amin'ny taranja Volley Ball, na ny lehilahy na ny vehivavy... ♦ Maro ireo fepetra horaisina sy fandaminana vaovao hatao, hahafahana miatrika ny famaranana ny Lalaon'ny Nosy amim-pilaminana amin'ny alahady izao... ♦ Mbola misy vahaolana ho an'ny famatsian-drano any atsimon'ny nosy, araka ny voka-pikarohana momba ny tahirin-drano any an-toerana, izay navoaka androany...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco