♦ Misy "vide juridique" eto Madagasikara, taorian'ny nahafantarana fa mizaka zom-pirenena vahiny ny filoham-pirenena hoy ny filohan'ny antoko MFM. Miantso ny Antenimieram-pirenena, handray andraikitra ity antoko ity, noho izany olana amin'ny lafiny lalàna izany... ♦ Misy mahatratra hatrany amin'ny adiny 15 isan'andro ny fahatapahan-jiro eto Antananarivo amin'izao. Tsy indray mandeha isan'andro intsony no misy ny "delestage" fa miverimberina ary antoandro sy alina mihitsy... ♦ Nahazo rariny ny Randrana Sendikaly, nandritra ny fivoriam-ben'ny OIT. Nitory tany Génève ity vondrona Sendikaly ity, manoloana ny ambaran'izy ireo fa fanitsakitsahan'ny Fanjakana Malagasy ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny fahalalahana ara-tsendikaly...

♦ Nolanian'ny Solombavam-bahoaka androany ny volavolan-dalàna mametraka ny Faritra vaovao faha-24. Ny Faritra Ambatosoa... ♦ Mametraka fanamby hanana mpanara-maso amin'ireo biraom-pifidianana manerana ny nosy, amin'ny fifidianana hatao amin'ity taona ity, ny Safidy...

♦ Nitohy androany ny hetsika nataon'ireo olona avy amin'ny 106 tafo, misedra olana ara-tany eny Antohomadinika Atsimo. Milaza ny tsy hampiato ny hetsika izy ireo raha tsy mahazo kara-tany... ♦ Mbola mitana ny faniriany hirotsaka hofidiana ho Filoham-pirenena amin'ny fifidianana ho avy, Andriamatoa Paraina Auguste... ♦ Manahy ny amin'ny mety haharatsy ny vidin'ny vokatra lavanila maitso, ireo tantsaha any Mandritsara, amin'izao fisokafan'ny tsenan'ny lavanila izao...

♦ Niteraka rasabe ilay vaovao niparitaka momba ny fizakan'Andriamatoa Andry Rajoelina ny zom-pirenena frantsay, nefa Filoham-pirenena Malagasy. Nanamly ny momba izany ny Minisitry ny Serasera androany, raha nanontanian'ny mpanao gazety... ♦ Nivoaka alina ny didim-panjakana mamaritra ny karama farany ambany eto Madagasikara amin'ity taona ity. Nampiaka-peo ny Randrana Sendikaly, nilaza fa sahy mampidina ny karaman'ny mpiasa ny fanjakana, tamin'ny famoahana didim-panjakana...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...