♦ Heverina hivoaka any amin'ny lakan-dranon'i Môzambika anio tolak'andro ny rivo-doza Freddy. Foana avokoa ny loza mitatao sy ny loza manambana, ary ny fanairana fa filazana fahamailoana sisa... ♦ Hoy ny CENI : tsy miankina amin'ny CENI irery ny fahafahana miroso amin'ny fifidianana kaominaly, manoloana ny antson'ny mpanao pôlitika sasany, ny amin'ny tokony hamoahana tetiandro amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna... ♦ Mandeha araka ny tokony ho izy ny fanadihadiana ara-tontolo iainana amin'ny tetikasa lalam-be migodana, mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina, ka miankina amin'ny valin'izany no hanomezan'ny ONE valin-teny amin'ny fizotry ny asa... ♦ Miverina mianatra rahampitso ny mpianatra eto amin'ny Faritra Analamanga...
♦ Tany amin'ny Distrikan'i Ikalamavony no nisy ny ivon'ny rivo-doza Freddy tamin'ny 5 ora maraina teo. Hihena hatrany ny heriny amin'ity anio ity, ary tombanana hivoaka any amin'ny manodidina ny Distrikan'i Morombe anio tolakandro. Efa foana ny filazana loza ho an'ny Faritra Analamanga... ♦ Efa namoizana ain'olona iray sahady, omaly hariva, noho ny rivo-doza Freddy, ny tany Mahanoro. Mafy ny fahavoazana tany Mananjary, izay nidiran'ity rivo-doza ity, An'aliny ny tra-boina any Vatovavy... ♦ Ny ministra miisa 05 amin'ireo ministra 08 vaovao, no efa nandray ny fitantanana ny ministera omaly, taorian'ny famindram-pahefana...
♦ Hiditra ao amin'ny Distrikan'i Mananjary, afaka ora vitsy ny foiben'ilay rivodoza Freddy. Tany amin'ny 70 km avaratra atsinanan'i Mananjary ny nisy ny foibeny tamin'ny 6 ora hariva teo... ♦ Niroso tamin'ny famindram-pitantanana ireo Minisitra vaovao sy ireo teo aloha, tao aorian'ny fanovana mpikambana vitsivitsy teo anivon'ny Governemanta... ♦ Ahiahiana hiverina ao amin'ny Faritra Vatovavy sy i Fitovinany indray ilay valan'aretina FVR mpahazo ny omby aman'osy ary ny ondry. Misy aretin-koditra mahazo ny omby ihany koa any amin'ny Faritra Diana...
♦ Manomboka mihena ny herin'ilay rivo-doza Freddy, mialohan'ny hidirany an-tanety eto Madagasikara... ♦ Misy ny fepetra noraisina momba ny fifamoivoizana an-tanety, manoloana ny fiavian'ny rivo-doza Freddy. Mitsahatra avokoa manomboka anio ny fitanteran'olona sy entana mihazo ny Faritra atsimon'ny nosy, indrindra ny anio alina... ♦ Nitrangàna fifamonoana tany amin'ny Kaominina Esira, Distrikan'Amboasary atsimo. Olona miisa 06 no namoy ny ainy, am-polony no naratra, vokatry ny fifandonana teo amina fianakaviana roa avy amin'ny fokontany samihafa...
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco