♦ Tombanana hiditra an-tanety anio hariva eto Madagasikara ilay rivo-doza FREDDY. Mbola voasokajy ho rivo-doza mahery vaika izy, mitondra rivotra 175km/ora. Manan-kery  ny filazàna loza ho an'ny Faritra maro... ♦ Ministra miisa 08 eo anivon'ny Governemanta no nosoloina omaly. Mbola voatàna fanindiminy amin'ny toeran'ny praiministra Ntsay Chrisitian, izay efa nokasain'ireo solombavambahoaka ho esorina tamin'ny toerany... ♦ Mikatso avokoa ny fampandehanan-draharaha eto anivon'ny INSTAT, vokatry ny tsy mbola fisian'ny tale jeneraly. Roa volana tsy nandray karama ireo mpiasa, raha ny fitarainan'ny sendikà omaly...

♦ Mitombo ny hafainganam-pandehan'ilay rivodoza Freddy. Tombanana hiditra eo anelanelan'i Vatomandry sy Manakara, rahampitso talata eo anelanelan'ny amin'ny 6 ora hariva hatramin'ny 10 ora alina... ♦ Nampahafantarina ny hariva teo ireo mpikambana vaovao mandrafitra ny Governemanta... ♦ Miahiahy amin'ny mety hiverenan'ny kisary pôlitika tamin'ny taona 2017, ireo mpiasa eny amin'ny Antenimieran-doholona Anosikely...

♦ Mihamanantona hatrany ny morontsiraka atsinanan'ny nosy ilay rivo-doza FREDDY atsy amin'ny Ranomasimbe Indiana. Nisy fihenany ny heriny, lasa rivo-doza mahery vaika izy ny maraina teo, araka ny nambaran'ny Météo Madagasikara... ♦ Tsy hanova ny fomba fitantanana eto amintsika ny fanovàna ny mpikabana ao amin'ny governemanta hoy ny solombavambahoaka avy amin'ny antoko TIM, Todisoa Andriamampandry. Tsy mahamaika intsony ny fanovàna araka ny fanazavany... ♦ Tsy tokony ho sakana amin'ny fanatanterahana ny fifidianana amin'ity taona ity ny vola hikarakarana izany hoy ny solombavambahoaka Fetra Rakotondrasoa. Mbola azo ovaina ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakàna mirakitra izany hoy izy...

♦ Hikasika ny morontsiraka atsinanan'ny nosy rahampitso alina na amin'ny alarobia maraina i Freddy, rivo-doza mahery vaika atsy amin'ny Ranomasimbe Indiana. Tany amin'ny 1 600 km atsinanan'i Toamasina no nisy ny foibeny omaly folak'andro... ♦ Ho sarotra ho an'ny CENI ny ahatratrarany ny fanamby napetrany amin'ny isan'ny olona tafiditra anaty lisi-pifidianana hoy ny Sampanda Fanaraha-maso ny fifidianana SAFIDY manoloana ny tranga efa niainantsika hatramin'izay. Ilaina ny fanaovana fitsirihana na ny Audit mba hisorohana ny ahiahy tsy hiavanana... ♦ Minia tsy mihaino ny fitakiana ataony ny fitondram-panjakàna hoy ny valabe firasankinan'ny mpiasa malagasy. Hiroso amin'ny angaredona manoloana ireo olan'ny Sendika ny SSM...

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...