♦ Tsy 8% ny vato azo fa tena nisy ny halatra tamin'ny taona 2018, hoy ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina omaly, raha nihaona tamin'ireo mpikatroka HVM. Nambarany fa ny hisorohana ny tsy hiverenan'izany intsony no tokony himasoana amin'izao... ♦ Misy rivo-doza roa mihaodihaody indray any amin'ny ilany atsinanan'ny Ranomasimbe Indiana amin'izao. Arahi-maso akaiky ny iray amin'ireo manomboka amin'ity herinandro ity, hoy ny sampana mpamantatra ny mety ho toetry ny andro... ♦ Nitrangàna asan-jiolahy mahery vaika tany Ambohiborona, renivohitry ny Kaominina Ambatofotsy, Distrikan'i Faratsiho. Lasan'ireo jiolahy ny vola manodidina ny 30 tapitrisa Ariary an'ny mpandraharaha iray...

♦ Andro maneran-tany ho an'ny radio androany. Mbola fitaovan-tserasera be mpanaraka maneran-tany ny radio... ♦ Mbola tsy misy fiantraikany amin'ny toetry ny andro eto Madagasikara ireo rivodoza roa any atsinanan'ny Ranomasimbe Indiana. Araha-maso akaiky manomboka amin'ny faran'ny herinandro anefa ny fivoaran'ny rivodoza Freddy... ♦ Notafihan'ny jiolahy efa-dahy mirongo basy, androany vao maraim-be, ny mpandraharaha iray tany Ambohiborona Ambatofotsy, Distrikan'i Faratsiho. Lasan'ny jiolahy tamin'izany ny vola manodidina ny 30 tapitrisa Ariary...

♦ Hijanona 15 andro isaky ny Distrika ny Caravane médicale, mizaha fahasalamana sy mizara fanafody maimaimpoana, izay any Mahajanga ankehitriny, ary kendrena ho atao manerana ny nosy izany, hoy ny filohan'ny repoblika... ♦ Mifanitsy amin'ny vinan'ny antoko Maitso hasin'i Madagasikara ny veliranon'ny filohan'ny Repoblika, ka mbola vonona hatrany hanohana ny fitondram-panjakàna ity antoko ity... ♦ Niteraka savorovoro tao amin'ny tsenan'ny bazary be tany Toamasina omaly ny fanapahan-kevitra voalaza fa saika noraisin'ny talem-paritry ny asa tanana sy ny hay tao tany amin'ny renivohitry ny Faritra Atsinanana...

♦ Tafapetraka amin'ny fomban'ny Eglizy amin'ny maha-Evekan'i Mahajanga azy omaly i Mgr Zigmunt Robaskievitz... ♦ Nambaran'ireo teknisiana eo anivon'ny Ministeran'ny harena an-kibon'ny tany fa vato sokajiana ho vato indostrialy no nivoaka any ivelany, fa tsy vato sarobidy, raha nanazava mikasika ilay vato 90kg ny ministera... ♦ 48 taona tamin'ny sabotsy teo, ny namonoan'olon-tsy fantatra ny Kôlônely Ratsimandrava. Mbola mijanona ho mistery mandraka ankehitriny ny momba ity raharaha ity... ♦ Niverina an-tanindrazana tamin'ny sabotsy ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina...

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...