♦ Nametraka fepetra mialoha ny hiverenany handray ny asa fitaterana solika ny Fikambanan'ny Mpitatitra matihanina amin'ny solika, APTH, izay efa tsy nampiakatra solika hotaterin'ireo fiarabe, nanomboka sabotsy teo... ♦ Lany nasiam-panovana sy nasiam-panitsiana teny amin'ny Antenimieram-pirenena androany, ny volavolan-dalàna momba ny fampiasam-bola eto Madagasikara tamin'ny 9 marsa 2023... ♦ Tontosa androany ny lanonam-pitsarana manetriketrika nametrahana an-dRamatoa Rakotoniaina Narindra Navalona, Tonia Mpampanoa Lalàna eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antananarivo...
♦ Hiady amin'ny hitodihana amin'ny sôsialim-bahoaka ireo Solombavambahoaka amin'ny fanitsiana ny teti-bolam-panjakàna 2023 eny Tsimbazaza. Nanamafy izany fangatahana izany ny Solombavambahoakan'i Miarinarivo, amin'izao fivoriana ara-potoan'ny Antenimiera izao... ♦ Mitaraina ireo orinasa mpanfatra sy mpanondran'entana any ivelany fa tsy marin-toerana ny vola aloa eo anivon'ny Fadintseranana. Avo roa heny amin'ny tombam-bidin'ny entana indraindray ny vola alaina hoy izy ireo... ♦ Mpiadina am-polony no tratra nanao hosoka tamin'ny fanadinana fifaninana andraisana mpiofana ho mpandraharahan'ny fonja ny faran'ny herinandro teo. 12 tamin'ireo tra-tehaka no teny amin'ny foibem-panadinana eny Nanisàna...
♦ Nahena ny isan'ireo taranjam-panatanjahantena hifaninana amin'ny lalaon'ny nosy andiany faha-11. Efa ôfisially kosa fa i Madagasikara handray izany fifaninanana izany ny 25 aogositra hatramin'ny 03 septambra izao... ♦ Nisy olona tafiditra an-tsokosoko teny amin'ny trano fonenan'ny filohan'ny Antenimieram-pirenena. Very tamin'izany ny finday fampiasan'ity filohan'andrim-panjakàna mpanao lalàna ity, izay ifandraisana aman'olona... ♦ Ratsy fanombohana ny ekipam-pirenena malagasy tamin'ny fiatrehana ny fifaninanana afrikàna "Women's Cup, rugby à 15", tanterahina eto amintsika. Resy nanoloana an'i Kenya ny Maki Ladies tamin'ny lalao voalohany ny faran'ny herinandro teo...
♦ Natomboka omaly ny fizaran'ny CENI ny tambin-karama manokana ho an'ireo rehetra misehatra ao anatin'ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy sy ny rejisi-pifidianana nasiônaly, teto Antananarivo... ♦ Tontosa ny fihaonana teo amin'ny Banky Iraisam-pirenena sy ny fanjakana malagasy, amin'ny alalan'ireo minisitera manana tetik'asa miaraka amin'ity mpamatsy vola ity... ♦ Hiray hina hiaro ny tontolo iainana ireo tantsaha mikambana ao amin'ny Vondron'ny Tantsaha Malagasy, na ny CPM. Mahatsapa ny voka-dratsy ateraky ny fiovan'ny toetr'andro izy ireo...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco