♦ Manapa-kevitra arak'izay tiany amin'ny fitantanan-draharaham-panjakàna ny Filoham-pirenena hoy ny Ministra teo aloha ny jeneraly Tsaranazy Jean Emile. Tokony hajaina ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakàna manoloana ny hanajanonana ny fanaovana foto-drafitr'asa amin'ity taona ity... ♦ Manomana ireo ekipa mandrafitra azy hiatrika ny fanaraha-maso ny fifidianana amin'ity taona ity ny ivon-toerana SAFIDY. Manao ny atrik'asa fiofanana momba ny fifidianana tanterahana eto Antananarivo izy ireo... ♦ Hijoro afaka volana vitsy ny orinasa mpamokatra zezika NPK eto Madagasikara. Zezika 36.000 taonina isan-taona no hovokariny...
♦ Mamonjy tsikelikely ny tokantranony ireo traboina amin'ny Faritra maro eto amin'ny nosy vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza teto amintsika. Mihena ny isan'ireo ivon-toerana vonjy maika nandraisana azy ireny... ♦ Tsy laharam-pahamehana amin'ny Fanjakàna intsony ny famahana ny olana sedrain'ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra hoy ny SECES. Manomana paik'ady vaovao hanohizana ny fitakiana izy ireo... ♦ Nisedra fahasahiranana ny mpisehatra rehetra tamin'ny fanatanterahana ny fanoratana anarana nitetezana tokantrano nandritra ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy nifarana ny 31 janoary teo hoy ny ivon-toerana SAFIDY...
♦ Efa mihena ankehitriny ireo ivon-toerana fandraisana vonjy maika ireo traboina, vokatry ny andro ratsy... ♦ Tsy hiroso amin'ny fitokonana toy ny mahazatra ny Sendika SECES, manoloana ny fitakiany fa manomana paikady hafa... ♦ Misy ireo olom-bitsy mahazo tombontsoa manoloana ny tsy fisian'ny mpividy lavanila any Mananara Avaratra, hoy Andriamatoa Zakahely Boniface...
♦ 9.200.000 isa mahery ny olona voasoratra anatin'ny lisitry ny mpifidy, hatramin'ny omaly. Mbola afaka manatona eny anivon'ny Fokontany, hatramin'ny volana jona, ireo izay tsy mbola tafiditra tanatin'ny listry ny mpifidy amin'izao fanavaozana tanteraka ataon'ny CENI izao... ♦ Anatin'ny fanadiovana ny sehatry ny fanondranana Lavanila any ivelany, dia nidina teny amin'ny Air France Cargo Ivato omaly ny teo anivon'ny Ministeran'y Varotra sy ny Fanjifàna, nitsirika ny kalitao sy ny fenitr'ireo vokatra Lavanila 8 taonina ho ahondrana... ♦ Tsy hisy fiforonana rivo-doza manodidina an'i Madagasikara ato anatin'ny 5 andro. Mety hisy hiforona anefa any amin'ny Ranomasimbe Idiana amin'ny faran'ny herinandro na ny fiandohan'ny herinandro ambony...
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco