♦ Mihatra ny filazana miloko mavo na filazana loza manambana amin'ny fiakaran'ny rano any amin'ireo toerana manamorona ny reniranon'i Betsiboka araka ny fampitam-baovaon'ny météo androany tamin'ny 9 ora maraina... ♦ Nadikan'ny Praiministra Ntsay Christian ho endrika fanakorontanana ilay fikasàna hanao fitsipaham-pitokisana ny governemanta teny amin'ny antenimieram-pirenena... ♦ Miisa 570 ireo zaza very ary naharaisan'ny pôlisy fitarainana tamin'iny taona 2022 lasa iny... ♦ Mbola tsy nisy aloha ny fanambarana ôfisialy amin'ny handefasana ireo fiara mifono vy vita alemana any Ukraine, aorian'ny fivorian'ny vondrona tandrefana...

♦ Tombanana hivoaka an-dranomasina amin'ny talata ilay rivo-doza Cheneso ary mihena hatrany ny heriny. Zazalahy kely herintaona sy tapany no maty ary olona iray tsy hita popoka vokatr'ity rivo-doza ity... ♦ Nivoaka tamin'ny fahanginany ny praiministra Ntsay Christian rehefa tsy haino naneho hevitra nanoloana ilay fitsipaham-pitokisana tsy tanteraka teny anivon'ny antenimieram-pirenena farany teo... ♦ Miakatra ny tahan'ny olona voan'ny tazomoka any Taolagnaro ao anatin'izao fotoam-pahavaratra izao... ♦ Voatendry ho praiministra vaovao any Nouvelle Zélange i Chris Hipkins...

♦ Tsy misy ahiana intsony hatreto raha ny fivoaran'ilay rivodoza Cheneso. Amin'ny talata anefa izy vao mety ho tafavoaka any amin'ny Lakandranon'i Mozambika, ka mbola mitoetra ny fahabetsahan'ny rotsak'orana... ♦ Hanomboka any amin'ny volana jona any ho any, farahatarany, ny tohin'ilay tetikasa haratona'aina hanampiana ireo mponina sahirana any amin'ny Distrika 119 manerana ny Faritra 23, izay famatsiam-bola hatrany amin'ny 250 tapitrisa Dolara, ho an'ny Minisiteran'ny Mponina... ♦ Distrika faharoa be olona voan'ny tazomoka indrindra ny any amin'ny Distrikan'i Tolagnaro...

♦ Tsy misy filazana loza hatramin'izao, amin'ny lemak'Antananarivo, araka ny ny fampitam-baovao avy amin'ny APIPA... ♦ Nanatanteraka hetsika fanairana, ho fitakiana ny fanesorana ny Governoram-paritra ao Bongolava, ny olom-boafidy IRD sy ny antoko TGV androany... ♦ Miankina tanteraka amin'ny lalao izay hifandonan'ny Barea Madagasikara amin'ny ekipan'i Soudan amin'ny alatsinainy izao indray, no hiakarany amin'ny dingana manaraka ao anatin'ny CHAN...

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...