♦ Halalahana ny sehatry ny famokarana angovo eto Madagasikara. Hisy noho izany ny orinasa hifaninana amin'ny Jirama... ♦ Ho fantatra tsy ho ela ny teti-bola farany ilaina amin'ny fanatanterahana ny fifidianana eto Madagasikara, hoy ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana... ♦ Arahanao amin'izao vaovao izao ny tantaran'ny Zotran-dalamby TCE...
♦ Nahemotra, raha tokony ho androany ny adihevitra teo amin'ny Minisitra sy ny Solombavam-bahoaka, momba ny tatitry ny asan'ny Governemanta. Voalaza fa vitsy ireo Solombavam-bahoaka tonga hanatrika izany teny Tsimbazaza... ♦ Mitaky fiarovana ireo mpiasan'ny fananan-tany amin'ilay hetsiky ny fitondrana, hizarana karatany 2 tapitrisa amin'ity taona ity. Velona ahiahy ny sendikan'ny Inspecteurs des domaines, satria efa maro ireo naman'izy ireo nogadraina amin'ny fanatanterahana hetsika toa izao... ♦ Nampidi-bola 38 tapitrisa Euros tao amin'ny kitapom-bolam-panjakana ny asa tanana, tamin'ity taona ity. Misy ireo hetsika samihafa, hanamarihana ny Andro maneran-tany ho an'ny asa tanana, ao an-drenivohitra hatramin'ny sabotsy...
♦ Hifantoka betsaka amin'ireo olana maro miverimberina ary tsy mety voavaha eny anivon'ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny asa fikarohana ny filan-kevi-pirenenan'ny Sendikà SECES... ♦ Tapaka nandritra ny filan-kevitry ny ministra fa tsy hisy ny fanitsiana ny lalàna mifehy teti-bolam-panjakana ho an'ny taona 2023 na ny LFR... ♦ Mitaky ny fampahafantarana ny mpisehatra rehetra ny dingana manaraka amin'ny fandrafetana ny lisi-pifidianana sy ny tetiandrom-pifidianana ny KMF/CNOE Fanabeazana Olomp-pirenena... ♦ Miato hatramin'ny 18 jona izao ny asan'ny Papa François, fialan-tsasatra taorian'ny fandidiana azy...
♦ Hiverina anio eny Tsimbazaza ny fihaonana arahana fametrahana fanontaniana eo amin'ireo solombavambahoaka sy ny mpikamban'ny governemanta, rehefa tsy nisy tamin'ny fivoriana ara-potoana farany teo... ♦ Antoky ny fahombiazana ara-toekarena eo amin'ny firenena iray ny famokarana sy fanjifana ireo vokatra vita eo an-toerana hoy ny filohan'ny SIM... ♦ Hiatrika fanazaran-tena miaraka avokoa ireo mpilalao avy eto an-toerana sy avy any ivelany voaantso handrafitra ny Barea manomboka ny 12 jona izao, hoy ny mpanazatra Maître Rôrô... ♦ Nizotra tsara ary tsy nisy fahasarotana ny fandidiana natao tamin'ny Papa François omaly, efa nahatsiaro tena izy...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco