♦ Hiakatra fampanoavana indray anio, ny Filoha Tale Jeneralin'ny La Gazette de la Grande Île, Lola Rasoamaharo. Nahoron'ny vadintany avokoa omaly ny entan'ity gazety ity, teny amin'ny foibeny teny Antanimena... ♦ Mbola misy tamin'ireo olana efa niainana tamin'ny taona 2013 no miverina sy nanaovan'ny teknisian'ny OIF fanamarihana. Natao omaly ny tatitra tamin'ny fitsirihana andiany voalohany nataon'ny OIF... ♦ Nankatoavin'ny Filankevitry ny Minisitra omaly, ny fanafoanana ireo fepetra nampiatoana ny fanondranana volamena...
♦ Misy vola mivezivezy hikasana hividianana vato amin'ny fifidianana, na "fond vautour", eto Madagasikara, hoy ny Praiminisitra teo aloha, Monja Roindefo... ♦ Mpiasa hatrany amin'ny 300 isa no atahorahana ho very asa, noho ny fikasan'ny orinasa afaka haba iray, hampiasa milina hanoloana ny asan'izy ireo... ♦ Hisy tetikasa "Jeritany", iarahana amin'ny Sehatra Iombonana ho an'ny Fananan-tany na ny SIF. Tetikasa hamoriana ireo mpisehatra, hitadiavana vahaolana momba ny tany lova sy ny fanajariana ny tanim-panjakana...
♦ Izingizinan'ny FFKM ny tokony hanandratana ny fahamarinana. Maty heritreritra izao tontolo izao raha mangina ny Fiangonana hoy ny filohany, ny mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi... ♦ Tsy tokony toa izao ny toerana misy an'i Madagasikara raha mbola tahaka ny an'ireo ray aman-dreny nitolona tamin'ny 29 marsa 1947 ny fitiavan-tanindrazana nanantsika sy ireo mpitondra nifanesy hoy ny sekretera nasiônalin'ny Antoko Arema Annic Ratsiraka... ♦ Nahazo fanonerana ara-bola avy amin'ny orinasa RIO TINTO QMM ny mpanjono sy ny mpampiasa harena voajanahary maherin'ny 5.000 isa any amin'ny Faritra Anosy...
♦ Mitsidika eto Madagasikara ny iraky ny Firenena Mikambana, mifanakalo hevitra amin'ny tompon'andraikitra Malagasy momba ny tontolon'ny fifidianana eto amintsika. Ny Filohan'ny CENI no nandray azy ireo androany... ♦ Natolotra ho an'ny Distrikan'Antananarivo Atsimondrano, teny Vontovorona, Kaominina Alakamisy Fenoarivo, ny milina fanodinana tantely, avy amin'ny Minisitera Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana... ♦ Hiala tsy ho mpanazatra ny Barean'i Madagasikara intsony Andriamatoa Nicolas Dupuis, tao aorian'ny faharesena roa misesy nahazo ny Ekipam-pirenena Malagasy tamin'ny fihaonana tamin'i Centrafrique...
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco