♦ Nitombo hery ka lasa rivodoza indray i Cheneso androany, tany amin'ny 180km, andrefana somary avaratra andrefan'i Morondava no nisy ny foibeny tamin'ny 3 ora tolakandro teo... ♦ Miabo ny vokatra azo tamin'ny fandaharan'asa Formaprod, raha ny isan'ny tanora voaofana. Nizara ny zava-bita nandritra ny 10 taona niasany ity fandaharan'asa ity... ♦ Nidina an-dalambe, nilanja sora-baventy mitaky ny fialan'ny Minisitry ny Kolontsaina sy ny Serasera, niainga teny Mahamasina hatreny Ampefiloha, i Rossy sy ny mpiara-dia aminy...

♦ Niverina ho rivo-doza indray i Cheneso rehefa nitombo hery. tsy ahiana anefa ny hiverenany an-tanety... ♦ Tsy mitsabaka amin'ny fifidianana izay hatao eto Madagasikara i Frantsa. Safidin'ny Malagasy irery ihany ny hametraka izay ho filoha tiany hitantana ny fireneny, hoy ny masoivoho Frantsay... ♦ Mbola maro amin'ireo mpampianatra eny amin'ny Lycée Nanisana no tsy miverina miasa fa miandry ny fandraisany ny vacation BEPC... ♦ Nankatoavin'ny tahirim-bola iraisam-pirenena na ny FMI ny hanomezana fanampiana ara-bola maika 105 tapitrisa Dôlara ho an'i Haïti...

♦ Tafakatra any amin'ny ampahaefa-dalana eo amin'ny Chan ny Barean'i Madagasikara. Resin'ny Barea 3-0 i Soudan, alina... ♦ Hiaka-dapa eny amin'ny lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena anio ny disadisa misy eo amin'ireo samy mpanakanto momba ny OMDA... ♦ Miato amin'ny ampahany vokatry ny toetry ny andro ny fampianarana araka ny toromariky ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena... ♦ Ho feno herintaona amin'ity herinandro ity ny fananiham-bohitra ataon'i Rosia any Ukraine...

♦ Nivoaka an-dranomasina androany, tao amin'ny tananan'i Morondava, ny sisan-drahona miaraka amin'i Chenso. Hahazo hery indray izy afaka 24 ora, ka mety ho lasa rivodoza... ♦ Miato amin'ny ampahany ny fampianarana ao amin'ny Cisco Antananarivo Renivohitra, noho ny toetrandro... ♦ Fanalahidin'ny fampandrosoana ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana, hoy ny antoko MMM...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...