♦ Maika ny fanarenana ny firenena hoy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ary mbola vonona hitarika izany izy. Izay no nambarany raha niarahaba azy noho ny fahatratrarana ny taona vaovao ny vehivavy TIM... ♦ Mitaky fanitsiana ny karama, hifanaraka amin'ny fiakaran'ny vidm-piainana amin'izao fotoana izao ny Firaisan-kinan'ny Sendika eto Madagasikara na ny SSM. Hanao hetsika fanairana izy ireo ny 15 janoary izao... ♦ Sahirana ny mponina ao Toliara noho ny tsy fisian'ny asa. Manampy trotraka ny fahatongavan'ny mpifindra monina. Miantso ny tompon'andraikitra hijery akaiky ny fomba hisokafan'ny Base Toliara ny Ben'ny Tanànan'ny Kaominina andrenivohitra Vita Dédé Sidison...
♦ Nigadona an-tanindrazana omaly ny filohan'ny fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara MGR Raharilamboniaina Marie Fabien rehefa avy nanatrika ny fotoam-pandevenana an'ny Papa Emérite Benoît XVI, tany Vatican ny alakamisy lasa teo... ♦ Handray andraikitra amin'ireo minia manafina entam-barotra ny Ministera misahana ny Varotra sy ny Fanjifàna. Fandikan-dalàna izany hoy ny tompon'andraikitra raha nidina ifotony nijery ny vidim-bary omaly... ♦ Mitranga ao Toliara-I ny fifindra-monina an-tanàn-dehibe. Tsy miomana handray ireo mpifindra monina noho ny foto-drafitr'asa tsy ampy nefa ny ao Toliara ka miteraka olana ara-tsôsialy izany hoy ny solombavambahoaka RABEHAJA Jean...
♦ Hotsiahivina amin'ny taranaka faramandimby ny fampianarana nataon'ny Papa Emérite Benoît XVI, hoy ny filohan'ny fivondronamben'ny Eveka, Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, raha nigadona teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato androany, avy nanatrika ny fandevenana azy tany Vatican... ♦ Fandikan-dalàna ny fanafenana entam-barotra toy ny vary, ka handray ny andraikitra tandrify azy ny Ministera misahana ny Varotra sy ny Fanjifàna... ♦ Tratran'ny fifidra-monina an-tanàn-dehibe ny ao Toliara-I hoy ny solombavambahoaka voafidy tao an-toerana RABEHAJA Jean. Tsy mandrara ny fifindra-monina ny lalàna misy saingy tsy voaomana handray ireny, ny foto-drafitr'asa misy ao Toliara hany ka miteraka olana ara-tsôsialy...
♦ Mbola mijanona ho hetaheta aloha hatramin'izao ny fanirian'ireo diaspôra malagasy handray anjara amin'ny fifidianana tanterahana eto Madagasikara... ♦ Manahy amin'ny tsy hahatratrarana ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy araka ny famaritan'ny CENI ny eo anivon'ny KMF/Cnoe Fanabeazana Olom-pirenena... ♦ Miantso fitoniana indrindra ny fampiharana ny lalàna ny solombavambahoakan'i Miarinarivo manoloana ny nandefasana ny nofo mangatsiakan'ilay tovovavikely 15 taona tany amin'ny Kaominina Manazary... ♦ Taona voasokajy ho isan'ny nampitondra faisana an'i Etazonia noho ny fisian'ny loza voajanahary nifanesy ny taona 2022...
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco