♦ Niova ny fijerin'ny MCC sy ny tompon'andraikitra amerikana, ny fitantanana ny raharaham-pirenena eto Madagasikara. Raha tao anatin"ny "Zone rouge" isika nandritra ny taona maro dia tafiditra anatin'ny "Zone verte" ankehitriny... ♦ Ho sasa-poana ireo minia manakorontana eto amin'ny firenena, hoy ny Filohan'ny Antenimieran-doholona... ♦ Mitaky ny hanohizana ny fizarana ny tamberim-bidy arotsaky ny orinasa Ambatovy ao amin'ny kitapom-bolam-panjakana, ho an'ireo vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana tokony hisitraka izany, ny vovonan'ny firaisamonim-pirenena momba ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany...
♦ Miasa ireo mpikamban'ny Fitsarana Avo, na dia tsy mety ho tafavoaka eny Tsimbazaa aza ireo antontan-taratasy hanenjehana ireo mpitondra ambony teo aloha, voasaringotra amin'ny fandikan-dalana... ♦ Hampahafantarina ireo mpitondra ankehitriny sy ny ray aman-dreny ara-panahy ary ireo vondronda iraisam-pirenena, ny fehin-kevitra tamin'ilay fikaonandoham-pirenena nokarakarain'ny HIFFIM... ♦ Velon-taraina ireo mpamboly sy mpisehatra amin'ny lavanila any Antalaha fa tsy misy mpividy ny lavanila masaka ankehitriny...
♦ Hanamarika ny lanonam-paranana ny fivoriana ara-potoanan'ny Antenimieram-pirenena anio, ny fihaonana voalohany eo amin'ny Praiminisitra sy ireo Solombavam-bahoaka, tao aorian'ny tsy fahatanterahan'ilay fitsipaham-pitokisana ny Governemanta... ♦ Naka ny hevitry ny HCC manoloana ny fitsabahan'ny Filohan'ny Repoblika amin'ny raharahan'ny Antenimieram-pirenena, ary ny lanja araka ny lalana, ny fanambarana avy amin'ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena, manoloana ny fitsipaham-pitokisana ny Governemanta, ny HCDDED...
♦ Nihemotra indray ny fanenjehana ireo mpitondra ambony teo aloha eo anivon'ny Haute Cour de Justice. Anarana minisitra teo aloha 12 no notononina teny Tsimbazaza fa naharaisana antontan-taratasy fanenjehana, ka tokony natolotra ny Fitsarana Ambony... ♦ Teratany Srilankais iray indray no tra-tehaka tetsy Ivato, rehefa saika hitondra vato sarobidy ho any ivelany. Tratra tany anaty fitombenany ireo vato sarobidy tanaty fonosana maromaro... ♦ Mponina mihoatra ny 2 alina sy 4 hetsy sy 3 tapitrisa no hisitraka rano fisotro madio sy fotodrafitr'asa fanadiovana, anatin'ny tetikasa PAAEP...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco