♦ Efa nandroso tolo-kevitra, eny anivon'ny fitondram-panjakana, hanitarana ny fe-potoana hanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy ny CENI... ♦ Voatendry ho sangany eo amin'ny ady amin'ny kolikoly, ny lehiben'ny Fitsarana momba ny kaonty, Rakotondramanana Jean de Dieu. Notoloran'ny Sekreteram-panjakana amerikana, mari-pankasitrahana momba izany tany Washington izy... ♦ Mitana ny laharana faharoa amin'ny fampidiram-bola ao amin'ny kitapom-bolam-panjakana amin'ny alalan'ny valanjavaboaharim-pirenena ao Isalo, ny Faritra Ihorombe...
♦ Tsy raikitra ilay fitsipaham-pitokisana saika hataon'ireo Solombavam-bahoaka ny Governemanta Ntsay Christian. Misy tsindry avy any ambony ny tsy nahatanteraka izany, hoy ny Depiote Voninahitsy Jean Eugène... ♦ Hampitomboina avo 5 heny ny simenitra vokarina any Ibity Antsirabe. Nampanantena ny Filoham-pirenena fa hidina 50% ny vidin'ny simenitra eto amintsika, afaka 3 taona... ♦ Misy mpitsara ambony sy mpitsabo mibodo tanin'olona 2 hekitara etsy Ampanataovana Ambohidratrimo. Nananganan'izy ireo trano sy nofefeny ny tany, na tsy nahazoana alalana tamin'ny Kaominia aza...
♦ Tsy tomombana ny fikarakarana ny fifidianana amin'ny taona ho avy hoy ny Filohan'ny antoko Tiako i Madagasikara, Ravalomanana Marc. Manamafy ny amin'ny tokony hanaovana ny fikaonandoham-pirenena hametrahana ny fitsipika hifehezana ny fifidianana ifanarahana izy ireo... ♦ Nihaona tamin'ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina teny amin'ny lapam-panjakàna Iavoloha nyFilohan'ny FIDA mandalo eto Madagasikara... ♦ Marihana andraony 08 desambra ny andro eran-tany ho an'ny toe-tany. Nanokana ity volana desambra ity hanaovana fanentanana momba ny fiarovana ny tontolo iainana iadiana amin'ny fihafanan'ny tany ny Orange Madagascar...
♦ Tafapetraka omaly hariva eny amin'ny antenimieram-pirenena ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta Ntsay Christian. Solombavambahoaka miisa 105 no nanao sonia izany. Miantso ny fitoaniana ho an'ny olom-pirenena rehetra sy ny fahatongavan-tsain'ny mpisehatra pôlitika ny filan-kevitry ny Ministra hanavotra an'i Madagasikara... ♦ Nahery vaika ny fanoheran'ny mpianatry ny ENS, ny mpitandro filaminana tonga nandamina ny toe-draharaha teny Ampefiloha. Nivoaka ny faritry ny toeram-pianarana, ireo mpitokona omaly maraina... ♦ Maherin'ny 100 tapitrisa Dôlara ny trosan'ny Air Madagasikara ka tsy maintsy atao izay hanavotana ity kaompaniam-pitanterana nasiônaly ity, hoy ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco