♦ Hatomboka ny fanamboarana ilay lalam-be migodana mampitohy an'i Toamasina sy Antananarivo. Androany no natao teny Iavoloha ny fifanaovan-tsonia hanamboarana izany... ♦ Mitaky ny hampiakarana ny teti-bola ho an'ny Minisiteran'ny Tontolo iainana, ho fiarovana ireo harena voajanahary, ny vondron'ireo fiaraha-monim-pirenena... ♦ Hiverina hamboly amin'ny taniny ireo tantsaha any amin'ny Kaominina Ambahikily sy Tanandava Station, Distrikan'i Morombe, tao aorian'ny dimy taona nanajarian'ny fanjakana azy...
♦ Hanohana ireo sekoly ambaratonga voalohany tsy miankina, hanalefahana ny vesatra iantsorohan'ny ray aman-drenin'ny mpianatra, ny fanjakana. Sekoly tsy miankina 700 mahery manerana ny nosy no histraka izany... ♦ Hidina sy manentana ary hanisa mpifidy any amin'ny orinasa, manomboka ny 15 nôvambra ny CENI. Vita sonia niarahana tamin'ny FIV.MPA.MA. ny fifanarahana momba izany... ♦ Tantsaha 43000 eo ho eo no hisitraka zezika sy masomboly na doria, avy amin'ny fanjakana manomboka izao volana nôvambra izao, hatramin'ny volana jona 2023...
♦ Tsy maintsy handraisana fepetra ireo Solombavam-bahoka mihoa-pefy, hoy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine. Efa eny amin'ity andrim-panjakana mpanao lalana ity ny volavolan-dalana mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana taona 2023... ♦ Niverina niasa omaly ny mpirakidraharaham-pitsarana, tao aorian'ny fitokonana naharitra tapabolana. Maro ireo olona nanan-draharaha namonjy fitsarana teny amin'ny Lapan'ny Fitsarana Anosy... ♦ Tsy mety miravona ny tsy fitovian-kevitra eo amin'ny mpamily taxi mivondrona ao amin'ny FTAR sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra...
♦ Ireo toromarika tsara ho fantatra momba ny fizotran'ny raharaham-pitsarana teny Anosy, nandritra ny fitokonan'ireo mpirakidraharaha. Niverina niasa androany ireo mpirakidraharaham-pitsarana manerana ny nosy... ♦ Mbola nanamafy androany, ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, fa tsy maintsy hisy fandraisana andraikitra amin'ireo Solombavam-bahoaka mihoa-pefy amin'ny fitondran-tena tsy mendrika asehony amin'ny maha olom-boafidy azy... ♦ Miantso hatrany amin'ny tokony hanohizana ny fifanomezan-tanana ho fampandrosoana an'i Madagasikara, ny Filoha Nasiônalin'ny antoko MMM...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco