♦ Volamena milanja 95 sy 800 grama indray no tra-tehaka tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato omaly, saika entina antsokosoko any ivelany... ♦ Hivaha tanteraka ny olana amin'ny "délestage" manomboka amin'ny volana jolay, hoy ny Tale Jeneralin'ny JIRAMA... ♦ Manodidina ny dimy alina ireo vehivavy tratry ny aretina mamanilava eto Madagasikara. Izany ho vehivavy 5/1000 no tratran'izany aretina izany...
♦ Miandry ny fanomezan-toky ny handinihan'ny fitondram-panjakana ny tolo-dalana momba ny fizakan-tenan'ny oniversite miankina amin'ny fanjakana, ny SECES Sampana Antananarivo, vao hiverina hanohy ny asa fampianarana sy ny fikarohana indray... ♦ Lalana mankany amin'ny Disitrikan'Ikongo : tsy mandroso intsony ny asa fipasohana ny lalana, hoy ny Solombavam-bahoaka Razafitsiandraofa Jean Brunel... ♦ Diso ny fiheverana nampitaina hatramin'izay fa fiaviana tokana no niandohan'ny Malagasy, raha ny angom-pikarohana eo am-pelatanan'ny Minsiteran'ny Kolontsaina sy ny Serasera...
♦ Tsy voatery hotanterahina ny fikaonandoham-pirenena vao hirosoana ny fifidianana amin'ny taona 2023, hoy ny antoko Humaniste Ecologiste. Nilaza ny avy amin'ity antoko ity fa tsy maintsy hirisoana ny amin'ny taona ho avy ny fifidianana... ♦ Mandeha ny feo fa ahiana ny hisian'ny fipoahana ara-tsôsialy aorian'ny fetim-pirenena. Efa misy ny paik'ady hiatrehana ny fitandroana ny filaminana, hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena... ♦ Namoaka fanambaràna iraisana ny vondrona maromaro eto Madagasikara, ahitàna masoivoho vahiny maromaro. Fanambaràna manoloana ny famonoana an'i Henri Rakotoarisoa, filohan'ny Vondron'olona ifotony MIALO, misehatra amin'ny fiarovana ny tontolo iainana...
♦ Nohadihadian'ny Bianco omaly Andriamatoa Rivo Rakotovao, filohan'ny Antenimieran-doholona teo aloha. Nambarany fa tsy azo lavina ny fanenjehana ara-politika amin'izao raharaha izao... ♦ Nisehoana fitsaram-bahoaka teny Sabotsy-Namehana omaly. Fiara roa no nodoran'ny fokonolona, vokatry ny hatezeran'izy ireo, tamin'ny lehilahy iray nampijalijaly sy namono zazalahikely, 11 taona... ♦ Mivoatra ny fanadihadiana momba ilay fiparitahana zava-mahadomelina tany Toamasina. Andrasana ny valin'ny fanadihadiana amin'ny fifandraisan'izany amin'ny tranga fakàna an-keriny tovovavy, tato ho ato... ♦ Tsy mitsaha-miakatra ny vidin-tsolika any Frantsa amin'izao, meherin'ny 2,07 Euro ny litatry ny gazoala any an-toerana...
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco