♦ Mila ahitsy ny lalana mifehy ny fitrandrahana. Fotoana tokony handinihina ny mahakasika ireo fifanarahana nataon'ny fanjakàna tamin'ireo orinasa lehibe manao fitrandrahana harena an-kibon'ny tany eto amintsika izao hoy ny solombavambahoaka Fetra Rakotondrasoa... ♦ Reharehan'i Madagasikara ny fananana orinasa Malagasy 100% toy ny Equinvest any Toliary, izay vao manomboka misehatra eo amin'ny toe-karena manga sy mitrandraka ireo vokatry ny jono, manome asa ho an'ny Malagasy... ♦ Ho fanatsarana ny fanatanterahana ny fifidianana eto Madagasikara, mba hisian'ny fifidianana madio sy mangarahara, eken'ny rehetra ka hanjakan'ny fitoniana dia misy ny atrik'asa tanterahin'ny EISA miaraka amin'ny CENI...
♦ Nisafidy ny hiara-hiasa amin'ny federasiona Arabo ho an'ny toe-karena nomerika i Madagasikara ho fanatanterahana ny fiovana nomerika hoy ny filohan'ny repoblika Malagasy, tanatin'ny kabariny tamin'ny fanokafana ny famelabelaran-kevitra sy ny fampirantiana momba ireo teknolojia ara-toe-karena atao any Emirats Arabes Unis... ♦ Notanterahana omaly ny CEPE Katôlika nizotra antsakany sy andavany izany... ♦ Nihena ny tahan'ireo tanora mifoka sigara teto Madagasikara raha ny antotanisa tamin'ny taona 2018 vokatry ny fanentanana natao teny anivon'ny sekoly, nomarihina omaly ny andro maneran-tany iadiana amin'ny fifohana sigara...
♦ Nihatrika ny CEPE Katôlika androany, ireo mpianatra avy amin'ny sekoly katôlika rehetra hihatrika ny fanadinana CEPE amin'ny volana jona ho avy izao. Afaka nanao ny fanadinana avokoa ny diôsezy manerana ny nosy... ♦ Nanatrika ny famelabelaran-kevitra sy ny fampirantiana momba ireo teknôlôjia ara-toekarena nomerika, atao any Emirats Arabes Unis ny Filoha Malagasy ny antoandro teo. Nambarany fa nisafidy ny hiara-miasa amin'ny Federasiôna Arabo ho an'ny toe-karena nomerika i Madagasikara, ho fanatanterahana ny fiovana nomerika...
♦ Naneho ny fahavononany hitarika ny fikaonan-doham-pirenena ny ACS, ivondronan'ireo Loholona sy CST teo aloha. Nambaran'ny Profesora Ralison Roger fa manana ireo fironan-kevitra rehetra afahana mikarakara izany ity fikambanana ity... ♦ Hovahana amin'ny alalan'ilay fikaonan-doham-pirenena momba ny fananan-tany ny fitarainan'ny vahoaka, hoy ny ministra misahana io sehatra io. Ny 08 ka hatramin'ny faha-10 jona izao no hanatanterahana izany... ♦ Rahampitso amin'ny 10 ora alina, ora eto Madagasikara, ny fihaonan'i Ghana sy ny Barea any amin'ny taniny. Mety handahatra mpilalao avy eto an-toerana 4 na 5 ny mpanazatra Nicolas Dupuis, raha ny filazany...
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco