♦ Voatendry nandritra ny filan-kevitry ny ministra omaly ho tale jeneralin'ny ARAI, Andriamatoa Rasoloharimanana Aimé. Anjara andraikitry ny ARAI ny fanatanterahana ny didim-pitsarana izay mangeja ireo harena azo avy amin'ny tsy rariny... ♦ Manangasanga ny fitokonana lavareny eny amin'ny Oniversite. Tsy afapo tamin'ny fihaonana nataony ny sendikan'ny SECES sampana Antananarivo ka hanao tombana farany amin'ny herinandro mialoha ny hirosoana amin'ny fandraisaa fanapahan-kevitra... ♦ Andrasana amin'ity anio ity ny lisitr'ireo mpilalao handrafitra ny Barean'i Madagasikara. Tsy hisy fiovana ny tetiandro amin'ny lalao ho atrehan'ny ekipam-pirenena malagasy amin'ny volana jona izao...

♦ Fotoana hanovàna famindra sy hanafangainana ny fampandrosoana ny sehatry ny fambolena mba hanatrarana ny fahavitantena ara-tsakafo izao, hoy ny filoha Rajoelina Andry, nandritra ny filan-kevitry ny ministra... ♦ Mitaky ny handravàna ireo governoram-paritra ny RMDM, taorian'ny filazan'ny filohan'ny HCC amin'ny andraisany andraikitra manoloana ny tsy fanajàna ny lalam-panorenana... ♦ Tale 32 tao amin'ny Jirama no voalaza fa nisitraka tambikarama hatrany amin'ny 1 180 tapitrisa Ariary. Tonga nanara-maso ny fizotran'ny raharaha eny amin'ny PAC ny solotenan'ny mpiasa...

♦ Mitaky ny hamerenana ireo volabe natao "Prime exceptionnelle" ho an'ny mpitantana ambony tao amin'ny JIRAMA, ny mpiasa eo anivon'ity orinasam-panjakana ity... ♦ Mitaky ny handravana ny Governoram-paritra ny Rodoben'ny mpanohitra, tao aorian'ny nilazan'ny Filohan'ny HCC fa tsy mifanaraka amin'ny Lalampanorenana ny fisian'izy ireo... ♦ Ny 90%-n'ny mponina ao Taolagnaro no milaza fa tsy afa-po ary tsy mitondra voka-tsoa ho azy ireo ny fitrandrahana fasimainty ataon'ny orinasa QMM, araka ny tatitra navoaka androany...

♦ Tsy tratra hatramin'izao ny tanjona tamin'ny tolona 13 mey 1972, izay feno 50 taona katroka amin'ity taona ity, hoy ny mpikambana ao amin'ny hetsika 13 mey, izay hanamarika izany... ♦ Mihoa-pampana ny vola ampiasain'ny  kandidà filoham-pirenena sy ireo mpanohana azy mandritra ny fampielezan-kevitra, ka namolavola tolo-dalana iray entina hamerana ny fandaniam-bola amin'ny fampielezan-kevitra ny solombavambahoaka Razafitsiandraofa Brunelle... ♦ Mitentina 7 tapitrisa Euro ny famatsiam-bola avy amin'ny AFD hanatanterahana ny tetik'asa KOBABY. Kaominina miisa 26 ao amin'ny Faritra Diana no voakasiky ny tetik'asa...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...