♦ Niampy olona 02 isa, ankehitriny ny isan'ireo olona nosamborin'ny kaompania Imerina Central noho ilay fanafihana nahafatesana olona 32 tany Ankazobe tamin'ny zoma alina teo... ♦ Tokony tsy hividy ilay vary simba ny mpanjifa ao Toamasina raha misy mahita izany eny an-tsena, ary hampandre ihany koa ny tompon'andraikitra ahafahana manala izany eny amin'ny tsena. Efa any an-toerana ny ekipan'ny ministeran'ny varotra mampihatra ny fepetra noraisina... ♦ Tsy nahomby ny nampiasàna ilay tetim-pivoaran'ny fanabeazana na ny PSE natomboka ny taona 2018 ary hifarana ny taona 2023 izao hoy ny ministry ny fanabeazam-pirenena...
♦ Nifarana omaly ny fivorian'ny SCEAM na ny fikaonandohan'ny Fivondronamben'ny Eveka aty Afrika sy Madagasikara, izay natao any Akra, renivohitr'i Ghana. Nisolo tena ny fivondronamben'ny Eveka Malagasy i Mgr Benjamin Marc Ramaroson, arsevekan'Antsiranana... ♦ Ho fanatsarana sy fanavaozana ny rafim-pampianarana eto Madagasikara, tena hitondra fandrosoana sy hifanaraka amin'ny vaninandro ankehitriny dia hitohy anio etsy amin'ny CCI Ivato ny fikaonandoham-pirenena tanterahin'ny ministera telo tonta voakasiky ny resaka fampianarana, fanabeazana ary fampiofanana... ♦Mila vahana haingana ny olana mahatonga ny fitokonan'ny mpiasn'ny FCE, ka nitarika ny tsy fisian'ny fitanterana an-dalamby mihazo an'i Manakara...
♦ Ho fanavaozana ny rafi-pampianarana eto Madagasikara sy ho fanomanana ny fihaonam-be an-tampony izay hatao any New York amin'ny septambra izao, dia misy fikaonan-doham-pirenena mahakasika ny fanabeazana sy ny fampianarana, izay tanterahana etsy amin'ny CCI Ivato, nanomboka androany... ♦ Tokony hovahana haingana ny olana mahatonga ny fitokonan'ny mpiasan'ny lalamby FCE, fa mijaly ny mponina any amin'ny distrikan'Ikongo... ♦ Manodidina ny 400 ireo mpanao gazety nahafeno antontan-taratasy sy ny fepetra notakiana, hahazoana ny karatra maha matihanina...
♦ Nampikaikaika ny mpanjifan'ny Jirama indray ny fahatapahan-jiro lavareny amin'ny toerana maro. Nisy ireo nanao hetsika nanoherana izany tamin'ny alina... ♦ Efa maherin'ny 70 ankehitriny ireo firenena nahitàna ilay valanaretina nendran-drajako na variole du singe. Arahanao ato anat'ity vaovao ity ny fanadihadiana momba io valanaretina io... ♦ Ambony noho ny fitakian'ny mpisehatra politika ankehitriny ny fanavotam-pirenena amin'ny alalan'ny fitoniana sy ny fihavanam-pirenena, hoy ny Roso ho an'ny Demôkrasia Sosialy na ny RDS... ♦ Nilatsaka tany amin'ny fari-dranomasina avaratra atsinanan'ny nosy Borneo aty amin'ny ranomasimbe indiana ny potik'ilay sambondanitra sinoa ny faran'ny herinandro teo...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco