♦ Miantso ny kristiana rehetra eran-tany ny Papa François, amin'ny zoma 25 marsa 2022, mba hivavaka hanankinana amin'ny fo madion'i Maria ny ady eo amin'ny Rosiana sy  Iokraina mba hitsahatra... ♦ Hivory maika rahampitso ireo rehetra voakasiky ny resaka fizahan-tany, hanatsarana ny zotra fizahan-tany ao amin'ny Parc Isalo... ♦ Nankasitraka ireo mpanjono tany Mahambo, namonjy ny SG miadidy ny zandarimariam-pirenena, ary nanondrotra galona ireo velon'aina, ny filoham-pirenena...

♦ Niatrika ny fivoriambe, ara-potoana voalohany amin'ity taona 2022 ity, teto Antananarivo ny Vaomieran'ny Eveka momba ny rariny sy ny fiadanana, voarakitra tao ny hafatra ho amin'ny dinika an-databatra boribory hamahana ny olana misy eto Madagasikara... ♦ Nandray anjara nisolo tena an'i Madagasikara  tamin'ny fivorian'ny fikambanan'ny parlemantera francophone aty Afrika ny filohan'ny Senat, Razafimahefa Herimanana... ♦ Nifarana ny atrik'asa momba ny fitantanana mpiasa ho an'ny tafika an-dranomasina Malagasy...

♦ Mila tanterahana eto amintsika ny dinika an-databatra boribory anasana ny ankolafin'olona tsy ankanavaka mba ahafahana mifampihaino hoy ny tolo-kevitry ny Vaomieran'ny Eveka momba ny "Justice et paix", hisorohana ny savorovoro... ♦ Nitaky ny vatsiim-pianarana mbola tsy voaloa ihany koa ny mpianatra eny Ankatso taorian'ny teny Vontovorona... ♦ Maro ireo hirika hitan'ny Transparency International eto Madagasika mety hahatonga ny kolikoly ami'ny sehatry ny Jono an-dranomasina...

♦ Nipoaka ny baomba mandatsa-dranomaso teny Ankatso androany. Nitokona ny ampahany tamin'ireo mpianatra teny amin'ny Oniversiten'Antananarivo, nitaky ny vatsim-pianarana... ♦ Hanorina farihy artifisialy lehibe, hitehirizana rano amin'ny faritra roa ambin'ny folo eto Madagasikara ny eo anivon'ny Minisiteran'ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana... ♦ Tsy handefitra amin'ireo olona mpitrandraka na mpanondrana antsokosoko ny harem-pirenena ny ao amin'ny Minisiteran'ny Tontolo iainana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...