♦ Tsy mihevitra ny haka ny toeran'ny Praiminisitra ny tenako, hoy ny Minisitra Imbiky Herilaza, androany. Miantso ny rehetra hiandry am-pitoniana ny vokatry ny fanadihadiana tamin'ilay resaka niparitaka tamin'ny Facebook, ihany koa izy... ♦ Zazalahy kely 3 taona, zanaka karana mpandraharaha no nisy naka an-keriny androany, teny Ambodivonkely Ambohimanarina... ♦ Tafakatra ho 82 ireo olona namoy ny aniny tany Ikongo, vokatry ny rivodoza Batsirai, raha ny tatitra avy amin'ny Solombavam-bahoaka avy any amin'ity Distrika ity...
♦ Efa Miha-manalavitra tanteraka an'i Madagasikara ilay rivodoza Batsirai, vaovao avy amin'ny sampana mpamantatra ny mety ho toetry ny andro... ♦ Nahafaty olona 12 ny firodanan'ny trano tany Ambalavao, vokatry ny fandalovan'i Batsirai. Rava ny fonja ao Ikongo, voatery nampidirina an'efitranon-tsekoly ireo voafonja... ♦ Feno 13 taona katroka androany ilay raharaha fitifiran'olona teny Ambohitsirohitra ny 07 febroary 2009. Tsy misy tohiny ny fanadihadiana hatramin'izao...
♦ Efa nivoaka an-dranomasina tany avaratr'i Toliara omaly sahabo tamin'ny 7 ora hariva ny rivodoza Batsirai. Mbola namela sisan-drahona mitondra rotsak'orana hatramin'izao... ♦ Nandravarava izay nolalovany, ary nametraka takaitra mafy teto Madagasikara ny rivodoza Batsirai. Olona 10 no namoy ny ainy, ankoatra ireo faharavàna samihafa... ♦ Namoaka hafatra fankaherezana sy fiombonana ho an'ireo mpiray tanindrazana niharam-boina ny fivondronamben'ny Eveka...
♦ Hiditra an-tanety anio takariva, eo anelanelan'i Mahanoro sy Mananjary, ilay rivodoza Batsirai. Tany amin'ny 302 km, atsinanana somary avatra atsinanan'i Mahanoro no nisy ny foibeny tamin'ny 6 ora maraina teo... ♦ Mijery ny fomba rehetra hiahiana ireo mponina any amin'ny Faritra Vatovavy sy any Fitovinany ny Praiminisitra Ntsay Christian... ♦ Miato avokoa ny asa fitaterana, zotra rezionaly sy nasionaly rehetra, nanomboka omaly, hisorohana ny loza mety hitranga eny an-dalana, ho fiarovana ny ain'ny mpandeha amin'izao fiavian'ny rivodoza izao...
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco