♦ Niditra an-tanety tao Toliara-II tamin'ny 5 ora folak'andro teo i Jasmine, ilay rivo-doza tao amin'ny lakan-dranon'i Mozambika. Hivoaka an-dranomasina any amin'ny faritra atsimo-atsinanana indray izy rahampitso... ♦ Fisodrotan-karama 30% hoy ny SSM vao ampy iatrehana ny fiakaran'ny vidim-piainana ankehitriny. Tara hoy izy ireo ny fanapahan-kevitry ny fitondrana hidinika amin'ny sehatra tsy miankina amin'ny famaritana ny tahan'ny fiakaran'ny karaman'ny mpiasa... ♦ Nohenoina teny amin'ny sampan-draharaha foibe misahana ny ady amin'ny heloka an'habaka indray ny mpanolotsainan'ny tanànan'Antananarivo renivohitra Clémence Raharinirina niaraka tamin'ny Lily Rafaralahy...
♦ Mety hiditra any Toliara anio tolak'andro ilay rivo-doza Jasmine ao amin'ny lakan-dranon'i Mozambika. Mampihatra ny fepetra miloko mena ny distrikan'i Toliara I-II, Sakaraha ary Betioky manomboka amin'ny 3 ora... ♦ Tsy tokony hampiova ny fomba hitakiana ireo "iles éparses" ny fahalanian'Andriamatoa Emanuel Macron ho filoha frantsay, hoy ny antoko V.H.T. Miantso ny fanjakàna hanamafy ny hetsika fitakiana ireo nosikelintsika ireo ity antoko ity... ♦ Nihena 20% ny taham-pahafatesan'ny zaza malagasy latsaky ny dimy taona, vokatry ny aretina tazomoka. Fihenàna, vokatry ny fanampian'i Etazonia tamin'ny ady natao, nanomboka ny taona 2008, hoy ny tatitry ny masoivoho amerikana...
♦ Hampakarina ny karaman'ny mpiasam-panjakana, hodinihina miaraka ny an'ny sehatra tsy miankina, hoy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Nampiomana ny rehetra izy amin'ny mety hiakaran'ny vidin-tsolika... ♦ Tombànana hiditra an-tanety anio any Toliara ilay rivo-doza Jasmine. 100km/ora ny rivotra miaraka aminy, araka ny filazàna avy amin'ny sampana mpamantatra ny mety ho toetry ny andro... ♦ Miantso ny hisian'ny marimaritra iraisana eo amin'ny Seces sy ny HCC ny ministry ny fampianarana ambaratonga ambony, manoloana ilay fiatoan'ny fampianarana eny anivon'ny Anjerimanotolo, nihatra nanomboka omaly...
♦ Nitombo hery ilay rivo-doza atsy amin'ny lakandranon'i Mozambika. Tany amin'ny 360 km andrefana somary avaratra-andrefan'i Morombe no nisy ny foiben'i Jasmine tamin'ny 9 ora maraina teo. Mampiahatra ny loza manambana ny faritra atsimo andrefana... ♦ Anatin'ny fameloma-maso ny rafitra eny ifotony hiatrehana ny fifidianana samihafa atsy ho atsy ny antoko eto amintsika. Mijoro ny Kom-Tim ao Bemasoandro-Itaosy, Antananarivo-Atsimondrano... ♦ Niafara tamin'ny savorovoro ny hetsika nataon'ny mpivarotra tao Moramanga omaly. Nisy ireo voasambotry ny mpitandro filaminana...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco