♦ Nankalaza ny faha 80 taona nijoroany ny sabotsy teo ny Skoto zazavavy katôlika na ny Fanilon'i Madagasikara. Nankalazaina omaly ny faha-50 taonan'ny Fivondronan'ny Fikambanam-behivavy Katolika eto Madagasikara, tamin'ny alalan'ny Sorona Masina... ♦ Sambany no tsy nahitàna marary lavon'ny Covid19 ny herinandron'ny 16 Avrily hatramin'ny 22 Avrily lasa teo. Mbola misy 31 ireo tranga vaovao ka teto amin'ny faritra Analamanga avokoa ny 30 tamin'ireo ary tany Atsinanana ny iray... ♦ Mbola mihaodihaody ao amin'ny lakan-dranon'i Mozambika ilay rivo-doza Jasmine...

♦ Manoso-kevitra ny hanafoanana na hanovàna ny lalàna mifehy ny HCJ, ilay fitsarana mitsara ireo mpitondra ambony, Ramatoa Sahondra Rabenarivo. Nambarany fa lasa fitsarana politika no misy eo anivon'ity fitsarana ambony ity... ♦ Niakatra ho 35% ny tahan'ireo very asa hatramin'ny nisian'ny valan'aretina Covid19 teto Madagasikara. Hizara fiofanana handrisihana ireo tanora nahavita fianarana sy very asa ny All-Com-Event ny faran'ny volana avrily izao... ♦ Mikasa ny hampiantrano ny "Mondial" eo amin'ny taranja "rugby" ho an'ny latsaky ny 20 taona i Madagasikara. Anisan'ireo firenena nametraka fangatahana handray izany isika, hoy ny filohan'ny federasiôna...

♦ Niantso ny filohan'ny Antenimieran-doholona hanaja ny fisaraham-pahefana ny SMM. Nanao fanambarana ny SMM fa talanjona tamin'ny nilazàny fa hampiantso ny Bianco sy ny PAC, momba ireo ben'ny tanàna notazomina am-ponja... ♦ Vola 111 miliara Ariary eo ho eo nogiazana, noho izy ireo azo tamin'ny tsy rariny. Nilaza ny CSI fa tsy azo ampidirina anaty kitapom-bolam-panjakana ireo vola ireo, raha tsy tafapetraka tsara ireo rafitra miady amin'ny kolikoly... ♦ Nihemotra tamin'ny fanapahan-keviny ny fitondram-panjakana manoloana ilay lalàna vaovao momba ny fananan-tany izay nampitaraina ireo fiaraha-monim-pirenena. Haverina hodinihina eny amin'ny Antanimieram-pirenena indray izy io manomboka izao...

♦ Nahazo ranom-panafody famonoana valala 40.000 litatra avy amin'ny Fanjakana Marôkanina i Madagasikara. Fiaraha-miasa tamin'ny FAO ny fitaterana izany... ♦ Mangataka ny tsy hanaovana saorona ny zana-bahoaka amin'ny fanaovana Oniversite Maty ny fikambanan'ny tanora avara-pianarana na ny FITAMA. MItaky fifampidinihana eo amin'ny Fanjakana sy ny Seces izy ireo... ♦ Miantso ireo mpitantana ao amin'ny Federasiona Malagasin'ny baolina kitra tsy hamotika ny ho avin'ny baolina kitra eto Madagasikara ny malagasy teknisianina mahay sy zatra ity taranja ity...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...