♦ Narahina herisetra ny fisamborana natao an-dRamatoa Clémence Raharinirina ny sabotsy teo, raha ny nambarany omaly. Nilaza ny hanohy ny hetsika miaraka amin'ireo mpiara-dia aminy izy, hitakiana ny fialàn'ny ben'ny tanàna Antananarivo... ♦ Mikatona ary tsy nisy fampianarana eny amin'ny oniversiten'Antananarivo, any Toamasina ary Fianarantsoa. Tsy mankasitraka ny fanapahan-kevitry ny HCC momba ny fitakiany ny SECES, ka nampihatra ny hetsika "Oniversite maty"... ♦ Misy indray ny hetsika "paka ieren-doza" iarahan'ny mpitandro ny filaminana manatontosa, ho fisorohana ny loza sy ny tsy fandriam-pahalemana, mandritra ny fety, hatramin'ny alatsinainin'ny paka...
♦ Anatin'ny Herinandro Masina, hafitoana mialoha ny fankalazana ny Paka isika. Nanomboka omaly, Alahadin'ny Sampankazo hatramin'ny Sabotsy Masina alina izany... ♦ Hiara-misalahy amin'ny fisorohana ny loza isan-karazany ny Pôlisy sy ny Zandary amin'ny fetin'ny Paka. Hanomboka anio ny fidinan'izy ireo an-kianja ka tsy hifarana raha tsy ny ampitson'ny Paka... ♦ Hiova ny paikady entin'ny ZDS, fari-piarovana sy fandriam-pahalemana, hiadiana amin'ny asan-dahalo. Nozaraina ho faritra telo ny ZDS Ikopa...
♦ Nahasarika mpanao politika maro ilay fampiofanana sy fiomanam-panahy noho ny fankalazàna ny Paka nokarakaraina ho azy ireo ny faran'ny herinandro teo... ♦ Mitarika hetsika eny Ankatso-II ireo mpianatra avy any amin'ny Grand-Sud nanomboka ny maraina teo... ♦ Nihena ny isan'ireo olona voamarina fa tratran'ny Coronavirus saingy nitombo indray ny Faritra nahitàna tranga vaovao raha oharina tamin'ny tatitra teo aloha... ♦ Hiatrika fifidianana filoham-pirenena ny any Philippines amin'ny alatsinainy 9 mey izao...
♦ Hihatra anio ary hitohy rahampitso ny Oniversite maty ho an'ireo anjerimanontolo sy ny foibem-pikarohana nasionaly manerana ny nosy... ♦ Navotsotry ny mpitandro filaminana ny filohan'ny FTAR izay nosamborina noho ny fitarihana hetsika an-dalambe ny sabotsy lasa teo... ♦ Nahavita ny fiofanana andiany voalohany ho fanatsarana ny kalitaon'ny onjam-peo ny mpiasa rehetra eto amin'ny RDB sy ny birao teknika saleziana... ♦ Hiatrika ny fiodinana faharoa amin'ny fifidianana filoham-pirenena frantsay i Emmenuel Macron sy Marine Le Pen...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco