♦ Manakoako manerana ny nosy ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy. Ho ampiitomboina ny teti-bolam-panjakana hanampiana ny vehivavy hoy ny tompon'andraikim-panjakana tao Antsirabe... ♦ Tany aminny distrika Maroantsetra no nisy ilay rivodoza Gombé tamin'ny 10 ora maraina teo. Hihena miandalana ny heriny hoy ny Météo... ♦ Nankatoavin'ny Tahirim-bola iraisam-pirenena ny fivoahan'ny famatsiam-bola 67,5 tapitrisa dôlara ho an'ny firenena malagasy, tafiditra anatin'ny FEC, ho fanarenana ny toe-karena taorian'ny krizin'ny Covid...
♦ Marihina anio ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy. Tsy diso anjara amin'izany isika eto Madagasikara, ka any Antsirabe no misy ny hetsika nasiônaly... ♦ Nahazo anarana rivo-doza Gombé ilay andro ratsy tao amin'ny ranomasimbe Indiana. Efa tafiditra an-tanety tany avaratr'i Cap Masoala androany maraina... ♦ Mitaky ny hamotsorana ny filohan'y sendikan'ny CNaPs ny firaisankina sendika eto Madagasikara. Mampitandrina ny fitondram-panjakana ny SSM...
♦ Niakatra ho dépression tropicale ilay andro ratsy any amin'ny ranomasimbe Indiana. Vinavinaina hiditra an-tanety rahampitso maraina... ♦ Mampitandrina ny fitondram-panjakana ny firaisan-kina sendikaly eto Madagasikara na SSM, fa tsy ho zakan'ny firenena ny fisian'ny hetsi-pitakiana hataon'ny mpiasa manerana ny nosy... ♦ Niezaka nitondra fanazavana momba ny resabe naterak'ilay fandrarana ny entana entin'ny mpandeha fiaramanidina androany ny Ministra Tinoka Roberto...
♦ Mihamanakaiky an'i Madagasikara ilay andro ratsy any atsinanan'i Cap Masoala. Tombanana hiditra an-tanety rahampitso amin'ny tanjaka " dépression tropicale" izy hoy ny Météo... ♦ Manamafy ny fitakiana Ministera manokana ho an'ny kolontsaina ny Fivondronamben'ireo fikambanana mpandala ny fomban-drazana eto Madagasikara. Tokony sarahina amin'ny Serasera hoy izy ireo, ny resaka Kolontsaina... ♦ Ny antoandro teo no nosokafana tamin'ny fambolen-kazo any amin'ny farihin'Andraikiba ny fanamarihana nasiônaly ny andro maneran-tany ho an'ny vehivavy any Antsirabe...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco