♦ Mizaka ny tsy eran'ny ainy amin'ny olana ara-tsosialy goavana vokatry ny tsy fifehezan'ny fahefana mpanatanteraka ny andraikiny ny vahoaka malagasy hoy ny Vonndrona parlemantera TIM... ♦ Mitaky ny fandraisan'andraikitry ny fanjakana handrindra araka ny tokony ho izy ny fandraisan'izy ireo ny karamany isam-bolana ny SPATUT... ♦ Handrasana amin'ny alarobia 09 marsa ny didim-pitsarana, havoakan'ny fitsarana ambony eny Anosy, momba ny raharaha ifanolanana ao amin'ny FMF...

♦ Miantso ireo Solombavam-bahoaka namany, ny vondrona Parlemantera TIM, hiroso amin'ny fitsipaham-pitokisana ny Governemanta. Tsy mahafehy andraikiny intsony ny fitondrana mpanatanteraka, hoy izy ireo, raha nanao fanambarana teny Tsimbazaza androany... ♦ Mitokona mandritra ny fotoana tsy voafetra ny mpiasan'ny CROUA maherin'ny 200 eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo. Manambana ny hanao fitokonana koa ireo mpandraharaha miasa eny an-toerana, noho ny ambaran'izy ireo fa fanaovana anjorom-bala amin'ny fahazoana ny tambin-karama...

♦ Nahazo vola 10 tapitrisa dolara mahery, fiantohana amin'ny rivodoza i Madagasikara, vola tsy averina hoy ny praiministra, Ntsay Christian... ♦ Miisa 15 ireo namoy ny ainy vokatry ny rivodoza Emnati raha ny tatitra farany navoakan'ny BNGRC omaly hariva... ♦ Hivoaka tsy ho ela ny fanapahan-kevitra raisin'ireo ministera telo nomen'ny filoham-pirenena toromarika, amin'izay rehetra hatao amin'ny fisokafan'ny fitanterana an'habakabaka amin'ny 05 marsa 2022...

♦ Manaja ny tsy fiandaniana i Madagasikara manoloana ny ady eo amin'i Russie sy Ukraine, hoy ny Praiministra, raha naneho hevitra izy, tao aorian'ny ady sisika nataon'ny diplaomaty samihafa misarika antsika hanohana izay tohanany... ♦ Tokony hatao laharam-pahamehana ny fiaraha-midinika hikatsahana fitoniana eto amin'ny firenena mialoha ny fifidianana amin'ny taona 2023, hoy ny CFM... ♦ Nozaraina nanaomboka androany, hatramin'ny zoma ho avy izao ny karatra ampiasain'ny mpianatra eny amin'ny sekoly Polytechnique Vontovorona, ahafahana mandray ny vatsim-pianarana...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...