♦ Faritra iray eto Madagasikara ihany no tsy nahitàna tranga vaovao amin'ny Covid-19. Nihena anefa ny tranga vaovao saingy nitombo ireo lavon'ny valanaretina... ♦ Hanohy ny fihaonana hitadiavam-bahaolana amin'ny fiakaran'ny vidim-piainana miaraka amin'ny Vondrona Panorama anio ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMF... ♦ Namaritra toerana hivarotra eny amin'ny toerana fandehanana an-tongotra ny Kaominina Antananarivo renivohitra...
♦ Niezaka nampitovy tadin-dokanga niaraka tamin'ireo fiaraha-monim-pirenena miisa 25 ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH, tanjona ny hiady amin'ny fiakaran'ny vidim-piainana... ♦ Nosantarina tao amin'ny distrika Tsihombe, Faritra Anosy ny fizaràna ambioka ho an'ny faritra atsimon'i Madagasikara hiatrehana ny taom-pambolena lehibe amin'ity taona ity... ♦ Miverina avokoa ny fampianarana any amin'ireo Faritra tsy voalaza tao anatin'ilay naoty farany navoakan'ny Ministeran'ny fanabeazam-pirenena...
♦ Miroso ny fanomanana ny JMJ Mada andiany faha-10. Nisy ny iraka nataon'ny VPKT tany Antsirabe tamin'ity herinandro ity... ♦ Malalaka ny fandraisana anjara amin'ny fifidianana amin'ny taona 2023, hoy ny filoha Rajoelina Andry... ♦ Misy amin'ireo sekoly no efa miomana amin'ny fanampiana ireo mpianatra raha toa ka mbola hihitatra aorian'ny 17 janoary ny fidirana...
♦ Misy lalana momba ny "utilité publique", hoy ny Filoham-pirenena androany, manoloana ny fisian'ny fanoherana ilay tetik'asa téléphérique eny amin'ny Saint Michel Amparibe. Tsy maintsy hitadiavana vahaolana, hoy izy, ny fitohanan'ny fifamoivoizana ao an-drenivohitra... ♦ Ao anatin'ny fiomanana tanteraka amin'ny fandraisana ny JMJ Mada faha-10 ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe. Nisy ny fivoriana fanomanana izany, notarihin'ny VPKT tany an-toerana, nifarana androany...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco