♦ Hiverina amin'izay ny fivorian'ny Pretra eto amin'ny diôsezin'Antananarivo, rehefa niato noho ny hamehana ara-pahasalamana... ♦ Hiala nenina hitaky fanazavàna amin'ny fitondràna amin'ny tohin'ny fitakiana ireo "iles éparses" ny antoko Otrik'afo sy ny mpiara-dia aminy... ♦ NItokona omaly ireo mpiasan'ny taxi-be zotra H mampitohy ny renivohitra amin'Avaradrano iny. Tsy eken'izy ireo ny fanovàna toeram-piantsonana napetraky ny kaominina Antananarivo... 

♦ Hiverina ny 21 sy 22 jona izao ny fivorian'ny pretra eto amin'ny diosezin'Antananarivo, rehefa niato volana vitsivitsy noho ny hamehana ara-pahasalamana... ♦ Tsy mitovy hevitra manoloana ny fahafatesan'ilay zazalahy tetsy amin'ny BANI Ivato ny fianakaviany sy ny Etamazaoron'ny Tafika...

♦ Hotanterahana isaky ny renivohi-paritany ny matso ataon'ny foloalindahy malagasy hankalazàna ny faha-61 taona niverenan'ny fahaleovantenan'i Madagasikara... ♦ Nambaran'ny teknisiana ao amin'ny ministeran'ny rano sy ny fidiovana ary ny fanadiovana fa tsy misy ahiana ny famatsiana rano fisotro madio ho an'ny mponina Antananarivo... ♦ Takian'ny Randrana Sendikaly ny ahafahan'ny toeram-pitsaboana iraisan'ny orinasa hitsabo ny mpiasa mararin'ny Covid-19... 

♦ Nohalavaina 15 andro indray ny amehana ara-pahasalamana eto Madagasikara. Tsy mihoatra ny 200 ny olona afaka mivorivory. Isan'ny fepetra nambaran'ny filohan'ny repoblika alina... ♦ Fivoaran'ny valan'aretina covid-19, tranga vaovao mitondra ny tsimok'aretina 39 no voatily tamin'ny fitiliana miisa 841 natao ny sabotsy 12 jona teo, Sitrana 26, lavon'ny aretina miisa 05... ♦ Nosokafana omaly tamim-pomba ofisialy ny fankalazàna ny faha-150 taonan'ny Ekar Fo Masin'i Jesoa Anosizato. Tamin'ny alalan'ny Eokaristia Masina notarihan'ny Arsevekan'Antananarivo no nanehoana izany... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...