♦ Hifarana anio ny fivoriana tsy ara-potoanan'ny Andrim-panjakana mpanao lalana. Nahemotra ho amin'ny 4 ora folakandro ny famaranana ho an'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Mbola hiatrika ny fanadinam-panjakana bakalorea anio tolakandro, ireo mpiadina nisafidy ny sokajy S sy L ary ny OSE... ♦ Efa misy ireo olona maty, vokatry ny hanoanana, any amin'iny Faritra Atsimo-Atsinanana iny...

♦ Tanterahana manomboka izao maraina izao ny adina ara-panatanjahantena an-tsoratra, ho an'ireo mpiadina bakalorea tsy afaka niatrika izany teny an-kianja... ♦ Anio no hafindra ao amin'ny Katedraly Ambozontany Fianarantsoa ny taolam-balon'ny eveka Philibert Randriambololona...

♦ Andrasana rahampitso na amin'ny faran'ny herinandro ny fitsanganan'ny Governemanta vaovao. Mifanohitra ny fanapahan-kevitra noraisin'ny Filoha tamin'ny fampiatoana ireo Minisitra sy ny fitazonana ny Praiminisitra, hoy ny mpahay lalana Clément Jaona... ♦ Mitaky ny mangarahara amn'ny fitantanana ny volan'ny mpiasa eo anivon'ny CNaPS ny Randrana sendikaly. Nanao hetsika teny Ampefiloha ity vondrona sendika ity androany, manaoloana ireo nampiasana ny volan'io tahiry io amin'ny sehatra samihafa...

♦ Nitsahatra omaly ny fe-potoam-piasan'ny ministra mandrafitra ny governemanta, tapitra omaly ihany koa ny telo andro tsy maintsy hitondrana vahaolana manoloana ny fiakaran'ny fidin'ny PPN... ♦ Mila mandinika ny fitondrana vao manapan-kevitra hametraka ny vidin'entana tena izy sy hanara-maso izay eny an-tsena... ♦ Nodimandry omaly ny Colonel Coutiti Assolant, lavon'ny aretina... 

[Miara-dàlana] Zoma 26 septambra 2025

• Nosokafana ny 23 septambra 2025, ny taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Diosezin'Ambanja... • Tsy tapitra eo amin'ny fahafatesana ny tena fiainana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany momba ny misterin'ny Sabotsy Masina, tamin'ny alarobia lasa teo... • Minisitera tena ilaina, nefa saro-pady, ny fandroahana demony, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...