♦ Nisy nanakorontana ny "Diaben'ny Fahafahana" nankeny Iavoloha ny 10 aogositra 1991, hoy ny Profesora Ralison Roger, ka niafara tamin'ny ra mandriaka. Mbola tsy fantatra hatramin'izao ny tao ambadik'izany, hoy hatrany ity mpanao pôlitika ity... ♦ Hankatoavin'ny Filohan'ny Repoblika eny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha, rahampitso, ny rijan-teny hametrahana ny Faritra Vatovavy, ho faritra faha-23 eto Madagasikara...
♦ Hamory vahoaka eny amin'ny kianjan'i Magro Behoririka anio tolok'andro ny RMDM, hetsika hanamarihana ny faharoa taona nijoroan'ity vovonan'ny mpanohitra ity... ♦ Hitory eny amin'ny fitsaràna ny sendikàn'ny SEFPONAM, manoloana ny fanidiana ny birao foiben'izy ireo eny Ankaraobato... ♦ Nandraisan'ny ministry ny fiarovam-pirenena fepetra ny momba ilay raharaha niitranga tany Belo sur Tsiribihina. Raharaha moa naharatràna olona noho ny korontana nataona andiana miramila...
♦ Andro faharoa anio ho an'ny fanadinam-panjakana Bakalorea manerana ny Nosy. Ny taranja matematika sy malagasy indray no hatrehan'ireo mpiadina... ♦ Nitombo ny isan'ireo trangan-kerisetra mianjady amin'ny vehivavy sy ny tovovavy marefo, nandritra ny fihibohana tamin'ny taon-dasa. Vehivavy iray amin'ireo telo natao fanadihadiana no efa niharan'izany, indray mandeha farahafakeliny...
♦ Tsy nisy ny olana goavana androany, nandritra ny andro voalohany amin'ny fanadinam-panjakana bakalorea... ♦ Voatery manaraka fitsaboana any Morondava, ny mpampianatra iray izay niharan'ny daroky ny miaramila ao amin'ny Kaompania 510 Belo-sur-Tsiribihina... ♦ Nahitana fiakarany kosa ny trangana herisetra mianjady amin'ny vehivavy sy ny tovovavy araka ny fanadihadian'ny FNUAP...
• Nosokafana ny 23 septambra 2025, ny taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Diosezin'Ambanja... • Tsy tapitra eo amin'ny fahafatesana ny tena fiainana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany momba ny misterin'ny Sabotsy Masina, tamin'ny alarobia lasa teo... • Minisitera tena ilaina, nefa saro-pady, ny fandroahana demony, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco