♦ Hiasa mafy, hampanaja ny fihibohana tanteraka ho an'ny eto amin'ny Faritra Analamanga ny sabotsy sy alahady izao, ny mpitandro ny filaminana. Polisy an'arivony no indray hahetsika ao Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina... ♦ 35% ny tahan'ny fiaboan'ny olona mitondra ny Coronavirus, tamin'ny fitiliana natao ny talata lasa teo. Miisa 390 ny tranga vaovao mitondra ny tsimokaretina. Olona enina no namoy ny ainy, araka ny tatitra nivoaka omaly...

♦ Natomboka androany ny fanamboarana ilay Fasan'ny Firaisam-po, ho an'ny etsy Anosiala Ambohidratrimo. Velaran-tany 5000 m2 no atokana handevenana ireo matin'ny Coronavirus... ♦ Maherin'ny 35% ny tahan'ny fiabon'ny olona mitondra ny Coronavirus tamin'ireo fitiliana omaly. Nisy tranga 390 indray hita, olona enina namoy ny ainy, raha ny antontan'isa nivoaka androany...

♦ Miantso ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny mba hijery haingana ny tena zava-misy marina momba ny fanafody sy ny fandraisana an-tanana ireo ao amin'ny hopitaly manara-penitra Morondava, ny Eveka any an-toerana Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina... ♦ Nihemotra laharana telo ny laharan'i Madagasikara manoloana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety... ♦ Tsy ho voaarina intsony ny fari-pahaizan'ny mpianaatra ankehitriny hoy ny Ministra teo aloha Paul Rabary... 

♦Mihemotra ny fara-fisoratana anarana ho an'ny fanadinam-panjakàna CEPE sy BEPC. Voatazona kosa ny datim-panadinana efa nivoaka...  ♦ Tokony efa hiomana amin'ny mety fidiran'ireo karazana coronavirus miova endrika eto Madagasikara ny tsirairay, hoy ny mpandinika fiaraha-monina Rabary Paul, sarotra mantsy ny hanidy tanteraka ny sisin-tany... ♦ Tsy tokony ho sakana tsy hahafehezana ny krizy ara-pahasalamana ny fampandehanana ny toe-karena raha samy mandray andraikitra... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...