♦ Tsy mitsahatra manentana ny olom-pirenena hanaja ny fepetra ara-pahasalamana ny polisim-pirenena. Afaka mitoroka ny tranga tsy fanajàna ny fepetra sakana anaty fiara fitanteram-bahoaka amin'ireo polisy eny an-dalana ny mpandeha... ♦ Manan-kery ary azo ampiasaina tsara manerana ny Nosy ny vola taratasy rehetra 2.000Ariary, 1.000Ariary sy 500Ariary navoaka tamin'ny taona 2017 hoy ny Banky foibe... 

♦ Misokatra ankehitriny ny fandraisan'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka ny antotataratasin'ireo mpitsabo sy mpitsambo mpanampy, amin'ny fitsaboana ny mararin'ny Covid... ♦ Hisy hetsika fampandrian-tany, hataon'ny ZRPS any amin'ny Distrikan'i Toliara II, manoloana ny fiverenan'ny asan-dahalo amin'izao fotoana izao...

♦ Vita fianianana androany teny Ambohidahy ireo mpikambanana vaovao valo, eo anivon'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana. Ho fantatra afaka valo andro izay ho filoha vaovaon'ny HCC... ♦ Nisy olona enina indray, matin'ny Coronavirus.Nitombo 348 ireo tranga vaovao eto amintsika, araka ny antotan'isa ôfisaly nivoaka androany tolakandro...

♦ Amperin'asa nanomboka androany ireo mpikambana vaovao mandrafitra ny HCC. Tontosa androany maraina ny lanonana ara-pitsaràna momba ny fihanianan'izy ireo... ♦ Tsy sasatry ny manentana ny olom-pirenena hanao ny arovava sy orona eny amin'ny toerana ifamezivezen'ny olona ny mpitandro filaminana mba hisorohana ny fiparitahan'ny Covid... ♦ Mbola tsy miverina amin'ny toerana nisy azy teo aloha ny lalam-pihariana ronono any Vakinankaratra... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...