♦ Nankahery ny vahoaka Malagasy tsy an-kanavaka, sy ny mpitondra, amin'izao fiatrehana ny valan'aretina Covid izao, ireo Filoham-piangonana ao amin'ny FFKM. Nanipy teny ho an'ny mpitondra isan'ambaratongany avy, na sivily na miaramila, mba tsy ho latsaka ao anatin'ny fanararaotam-pahefana... ♦ Tsy mankasitraka ny fanapahan-kevitra nampiatoana ireo fandaharana fanehoan-kevitra, ho an'ny haino aman-jery tsy miankina eto an-drenivohitra, ny fiaraha-monim-pirenena sy ny holafitry ny mpanao gazety...

♦ Ho tonga eto Madagasikara, afaka dimy ambin'ny folo andro, ny vakisiny fanefitry ny Covid-19 izay nafaran'ny fitondrana malagasy, araka ny fampahafantaran'ny Mnisitry ny Fahasalamam-bahoaka, omaly... ♦ Efa ho ny 60%-n'ireo mpiasan'ny fahasalamana, na ny mpitsabo na ny paramed, amin'izao fotoana izao no marary na ihany koa efa nararin'ny Coronavirus tato anatin'ny iray volana, raha ny tatitra ntaon'ny sendikan'ny 6FM...

♦ Hisy, rahampitso, ilay hetsiky ny olom-pirenena, hanairana ny mpitondra fanjakana momba ny fepetra horaisina hiadiana amin'ny valanaretina ankehitriny. Nilaza ny hanohana izany ny vondron'ny mpanohitra ao anatin'ny RMDM... ♦ Efa ny 60%-n'ny mpiasan'ny fahasalamana amin'izao no efa narary na mbola mararin'ny Coronavirus tao anatin'ny iray volana farany, raha ny tatitra nataon'ny sendika Paramed 6FM, androany...

♦ Tsy afaka miditra eto Madagasikara ny mpandeha avy any ivelany ho fiarovana ny malagasy amin'ny covid miova endrika miparitaka amin'ny firenena maro manerana izao tontolo izao... ♦ Mampiatra ny fepetra tsy hiparitahan'ny valan'aretina any aminy sy amin'ny faritra manodidina azy ny ao amin'ny Faritra Vakinankaratra... ♦ Marihina androany ny andro iraisam-pirenena ho an'ny tany, tsy misitraka ny tany misoratra amin'ny anarany ny 80%-ny tantsaha, hoy ny Fiantso Madagasikara... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...