♦ Tsy mitsaha-miakatra ny tahan'ny fiaboan'ny fitiliana ny coronavirus eto Madagasikara, tranga vaovao 832 no hita tamin'ireo fitiliana 1.907... ♦ Nitokona an-dalam-be tamin'ny faritry ny toeram-ponenan'ny mpianatra teny Ankatso androan'ny ny mpiasan'ny Croua... ♦ Miantso ny manam-pahefana handray ny andraikiny manoloana ny firongatry ny halatra lavanila any amin'ny tapany atsimon'ny faritra atsinanana ny Evekan'i Toamasina... 

♦ Mikasa ny hanao fombafomba ara-drazana any Vinany Nosivarika, ny fikambanan'ireo Tangalamena eto Madagasikara, manoloana ny fiparitahan'ny Coronavirus eto amintsika ankehitriny... ♦ Manambana hanao fitokonana ireo mpianatra ho mpitsabo miza-draharaha eny amin'ireo hôpitalim-panjakana ao an-drenivohitra. Manome 72 ora ny fanjakana izy ireo, handoavana ny tambikarama tsy voaloa...

♦ Nampitandrina ireo mpanararaotra amin'ny fivarotana fanafody amin'izao krizy ara-pahasalamana misy izao ny Filoham-pirenena omaly, ka nanome baiko ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, hijery akaiky izany... ♦ Misy hôtely dimy lehibe ao an-drenivohitra, no efa navadika ho hôpitaly, handraisana ireo mararin'ny Coronavirus, manoloana ny fahafenoan'ireo toeram-pitsaboana, indrindra eto amin'ny Faritra Analamanga...

♦ Tsy maharaka handraisana ny mararin'ny Coronavirus intsony ireo hôpitaly sy ny CTC Covid-19 ao an-drenivohitra sy ny manodidina amin'izao. Nosokafana ho ivotoerana fandraisana an-tanana ireo marary ihany koa ny EPP Soamandrakizay, androany... ♦ Mbola hitohy 15 andro indray ny fiatoan'ny fampianarana. Nitarina ho hatramin'ny 3 mey izao ny fialan-tsaratry Paka, ho an'ny mpianatra amin'ny sekoly manerana ny Nosy, raha ny fampitam-baovaon'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena androany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...