♦ Tsy azo ialàna ny fandraisana fepetra toy ny fiverenana amin'ny fihibohana raha toa ka tsy mampihatra ireo fepetra sakana ny rehetra, hoy ny Praiministra Ntsay Christian... ♦ Efa nanome ny Elefanta saingy tsy nambinina ny Barea tamin'ny fiadiana ny tapakila ho an'ny amin'ny  Can 2022... ♦ Naverina eny Antanimora miandry ny didim-pitsarana amin'ny 6 Aprily izao ireo olona telo voatazona amponja vonjimaika noho ilay fitrandrahana fasika ao Faravohitra-Ambatofahavalo... 

♦ Baolina kitra : nirava ady sahala, samy tsy nisy nitoko tany Toamasina ny Barean'i Magasikara sy Niger. Tsy tafakatra handray anjara amin'ny CAN 2022, hatao any Cameroun, i Madagasikara... ♦ Mihamahery vaika ny valan'aretina Covid-19, ka nanentana ny Malagasy hanamafy hatrany ny fitandremana ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, na ny FFKM...

♦ Mila mitady fandresena ny Barea anio tolak'andro, raha te ho tafakatra any amin'ny Can 2021. lalao hatao any amin'ny kianjan'i Barikadimy ifanandrianantska amin'i Niger, afaka ora efatra... ♦ Hametraka fitoriana eny amin'ny HCC atsy ho atsy ireo vondron'olona tsy mankasitraka izao fitondrana izao... ♦ Hiroso ihany amin'ny fampidirana vaksiny fanefitry  ny coronavirus eto Madagasikara ny fanjakàna malagasy... 

♦ Voalevina omaly teny amin'ny fasan'ny Mahery fo eny avaratra Ambohitsaina ny Amiraly Didier Ratsikaraka... ♦ Olona 7 indray no matin'ny Coronavirus teto Madagasikara, araka ny tatitra ôfisialy nivoaka omaly... ♦ Namoaka fanambaràna ny antoko Monina omaly, mitaky ny handinihina ny drafitra ho fanoherana ny fiparitahan'ny Covid-19 izay efa natolotr'izy ireo ny fitondram-panjakàna... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...