♦ Hitarika fivoriana manokana iarahana amin'ireo mpiara-miombon'antoka amin'ny Madagasikara anio ny filoham-pirenena. Ny momba ny fiatrehana ny hain-tany any Atsimo sy ny tsy fanjariantsakafo no hodinihana... ♦ Nanomboka androany faha 19 novambra ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana loholona hatao ny faha 11 desambra 2020... ♦ Hodinihina mandritra ny fihaonana an-tampon'ny vondrona eraopeana ny momba ny Covid-19. Hampitovy tadin-dokanga amin'ny paik'ady iombonana ireo mpitarika firenena 27...
♦ Orinasa miisa efatra (04) no tafatsangana teto Madagasikara tamin'ity taona 2020 ity, notokan'ny Filoha Andry Rajoelina, androany, ny orinasa mpanamboatra lafarinina any Toamasina : LMOI... ♦ Efa toromariky ny fitondram-panjakana, milatsaka ho an'ny isam-paritra mihitsy amin'izao ny tsy maintsy hikatsaham-bahaolana manoloana ny tsy fandriampahalemana mahazo vahana be... ♦ Nidina an-dalambe tao Berlin, androany, ny vahoaka anarivony maro, naneho ny tsy fankasitrahany ny paikadin'ny governemanta federaly any Alemagne, manoloana ny fiatrehana ny valanaretina Covid-19...
♦ Bolabolan'andramena 87 isa no tra-tehaky ny mpitandro ny filaminana tany amin'ny fokontany Antanambao, kaominina Ambohimandroso distrikan'Amparafaravola ny alatsinainy lasa teo... ♦ Miantso ny fanjakana hampihena ny saram-pitrandrahana harena ankibon'ny tany, alaina aminy, ireo mpandraharaha mishehatra amin'ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany... ♦ Niaro hatrany ny vokatra maneho ny fandresen'ny kandidà demokraty Joe Biden na tsy mbola ofisialy aza ny talen'ny sampana misahana ny cybercriminlalité any Etazonia...
♦Nilaza omaly ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena fa misy andian'olona minia manakorontana tsy hahatontosa ny fifidianana loholona amin'ny faha 11 desambra izao... ♦ Ny raharaha anatiny eo anivon'ny antenimieran-doholona no nifantohan'ny fivoriana azon'ny besinimaro natrehina omaly teny amin'ny lapa maitso Anosikely... ♦ Ny 22 novambra ho avy izao, mandritra ny Eokaristia Masina hotarihan'ny Papa François no handraisan'ny tanoran'i Portugal ny famantarana ny andro eran-tany ho an'ny tanora dia ny lakroa masina sy ny sary vongan'i Masina Maria...
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco