♦ Nanoratra taratasy fampahatsiahivana ny fitsipika mifehy ireo solombavambahoaka ny Filohan'ny Antenimierampirenena, Christine Razanamahasoa, androany... ♦ Mahatratra roapolo ireo olona karohina noho ny fanaovana heloka amin'ny fitaovan-tserasera, tamin'iny volana janoary lasa teo iny...
Hofanomezana tosika ireo mpandraharaha noho ny fahavoazana nahazo azy ireo tamin'ireny krizy ara-pahasalamana ireny, sy ho fanarenana ny toe-karena amin'ny ankapobeny, dia nametraka ny "plateforme digitale" na ny tabazotran-tserasera ara-barotra ny FIVMPAMA, na ny Fivondronan'ny Mpandraharaha Malagasy...
♦ Nitatitra ny asa vitany nandritra ny taona 2020 ny Ceni... ♦ Nanameloka ny zava-nitranga tao amin'ny kaominina Besakay, distrika Ambatondrazaka ny teknisian'ny rano sy ny ala... ♦ Toetry ny andro : misy fiforonana rivo-doza miha-manantona an'i Madagasikara arahi-maso indray ao amin'ny ilany atsinanan'ny fari-dranomasina misy antsika...
Maherin'ny sivy alina ireo "doublons", na anarana niverimberina tao anaty lisi-pifidianana nampiasaina tamin'ny fifidianana Filoham-pirenena tamin'ny 2018, hoy ny tatitry ny CENI androany. Maherin'ny efatra alina kosa ireo laharan-kara-panondro mitovy, izay nanaovana fanitsiana...
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco