♦ Efa any an-dranomasina no nisy ny foiben'ilay rivodoza Eloïse. Namela takaitra teo amin'ny faritra telo teto amintsika anefa izy, araka ny tatitra navoakan'ny BNGRC omaly... ♦ Niteraka tsy fitovian-kevitra eo amin'ny samy mpampita vaovao ny fahazoana ny karatra maha mpanao gazety. Nanamafy ny vaomiera mikarakara izany fa ny tena mpanao gazety no hahazo karatra amin'ity indray mitoraka ity...
♦ Hiverina hivoaka any an-dranomasina anio alina na rahampitso maraina, any amin'ny faritry ny morontsirak'i Melaky ny rivodoza Eloïse. Ana'arivony ireo tra-boina naterak'izany.... ♦ Tsy afaka ny hangina intsony isika hoy ny Governoran'ny Faritra Analamanga fa be loatra ny lainga afafin'ny mpanohitra ka tsy maintsy arovantsika ny fitondrana sy ny ezaka maro efa ataony hampandrosoana an'i Madagasikara...
♦ Nihena be ny herin'ilay rivodoza Eloïse, tany amin'ny Distrikan'i Mampikony no nisy ny ivony tamin'ny 9 ora maraina teo. Tombanana hivoaka an-dranomasina any Melaky izy rahampitso... ♦ Miandrandra fitoniana maharitra eto amin'ny firenena amin'izao fanombohan'ny fotoam-piasan'ny Antenimerandoholona izao ny Filoha lefitry ny CFM avy any Fianarantsoa...
Nihena ny herin'ilay rivodoza Eloïse, tany amin'ny Distrikan'i Maroantsetra no nisy ny foibeny androany tamin'ny 04 ora maraina. Hamakivaky an'i Sofia sy i Boeny ny sisan-drahona miaraka aminy anio tontolo. Rahampitso no tombanana hivoaka an-dranomasina io rivodoza io.
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco