Manatona haingana ny morontsiraka atsinanan'ny nosy ilay rivodoza Eloise, ao amin'ny Ranomasimbe Indiana. Rahampitso alina, na amin'ny alarobia maraina izao no hiditra an-tanety ao Analanjorofo izy.

Valan'aretina Covid-19 : ny eto amin'ny Faritra Analamanga no ahitana fifindran'ny tsimokaretina be indrindra eran'i Madagasikara. Nitombo avo roa heny amin'ny tarehimarika teo aloha mantsy ny tranga vaovao, raha ny tatitra ôfisialy nivoaka omaly. Ny Faritra Matsiatra Ambony kosa no manaraka azy.

♦Tsy mihevitra ny hamerina ny fihibohana ny mpitondra fanjakàna hoy ny kabinetran'ny fiadidiana ny repoblika... ♦ Hiafara amin'ny fanasaziana ny fikitakitàna sy ny avonavona ataon'ireo mpiasan'ny fitsarana amin'ireo olona manandraharaha eny amin'ny tribonaly... ♦ Hitondra ny heviny manoloana ny fifindramonina ataon'ireo antadroy ny governoran'ny faritra Androy... 

♦ Miseho lany ny fandrahonana mianjady amin'ireo mpitarika sendikaly, tsy tontosa tamin'ny ora farany indray ny fivoriamben'ny mpiasan'ny fahasalamana... ♦ Olan'ny rano : tsy any atsimon'ny nosy ihany fa eto an-drenivohitra ihany koa... ♦ An'arivony ireo ivon-toerana kasain'ny filoha voafidy any Etazonia hosokafana hanafainganana ny fanaovana vaksiny... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...