♦ Nambara ofisialy androany ny anaran'izy 12 mianadahy lany ho loholon'i Madagasikara nandritra ny fifidianana natao ny 11 desambra teo. Ny talata 19 janoary izao no hivory voalohany ireo mpikambana vaovao... ♦ Nidina an-dalambe androany ny mpianatry ny ENS tao Antsiranana. Niafara tamin'ny fifandonana tamin'ny mpitandro filaminana izany, nisy ireo mpianatra voasambotra... 

♦ Nidina an-dalambe nitaky ny zony ny mpianatry ny ENS ao Ampefiloha. Niditra an-tsehatra nanapoaka baomba mandatsa-dranomaso ny mpitandro filaminana. Telo no voasambotra, naratra ny filohan'ny fikambanan'ny mpianatra... ♦ Toherin'ny filoha amerikana Donald Trump sy ny mpomba azy ny voka-pifidianana filoham-panjakàna ka nahalany an'i Joe Biden. Iray no maty vokatry ny hetsika nataon'izy ireo tao amin'ny foiben'ny kongresy amerikana omaly...

♦ Mpianatra telo voasambotra, iray naratra, vokatry ny fitokonana sy fidinan'ny mpianatry ny ENS an-dalambe teny Ampefiloha androany... ♦ Olo-tsotra : Mila hamafisina ny fampiharana ireo fepetra ara-pahasalamana fa tsy ho zaka raha hiverina anaty fihibohana noho ny coronavirus...

♦ Fifidianana tsy naharaisan'ny HCC fitoriana na iray aza ny fifidianana loholona farany teo. Rahampitso no hamoaka ny vokatra ofisialy tamin'iny fifidianana natao ny 11 desambra lasa teo iny ny fitsarana avo... ♦ Tsy maintsy tsaboina eny amin'ny hopitaly izay rehetra voamarina ho mitondra ny tsimok'aretina coronavirus eto amintsika ankehitriny fa tsy azo atao intsony ny fitsabon-tena any an-trano... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...